Posted in Actualités

TONGA NITSIDIKA NY TOERANA HITOBIAN’NY EKIPA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA MINISITRY NY FITSARANA.

📌Alahady 06 Aogositra 2023, Tonga teto amin’ny trano hitobian’ny C2S, ekipan’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Niresaka sy nifanakalo hevitra tamin’ny Mpilalao sy ny Mpanazatra ary ny tompon’andraikitra, nitso-drano azy ireo mba hahita fahombiazana amin’ity Fanatanjahan-tena Iraisan’ny Minisitera sy ny Andrim-panjakana ity, ary nanolotra rano sy sakafo mampatanjaka ho azy ireo.

➡️ Ankoatr’izay dia noraisin’ny Minisitra an-tanana ny sandan’ny fampihatranoana ireto Mpilalao avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ireto.Nankasitraka izao fahatongavan’ny Minisitra izao ny IAP Hery Danny MALAZA, mpitantana ny sampana fanatanjahan-tena eo avivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Nambarany fa hatramin’izay dia mbola tsy nisy Minisitry ny Fitsarana, tonga mitsidika ary manohana ara-tsaina sy ara-tsakafo
ny Mpanao fanatanjahan-tena, hatramin’ izay nisian’ny ASIEF izay.

Miisa zato izy ireo no mandray anjara amin’ny fifaninanana ara-panatanjahan- tena atao eto Toamasina.
⭕Ankoatr’izay, amin’ny maha- Loholona teo aloha azy, dia nanolotra fanohanana ho an’ny Ekipan’ny Antenimieran-doholona ihany koa ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ary nirary azy ireo hahita fahombiazana amin’ izao lalao ara-panatanjahan-tena izao. Ho an’ny Antenimieran-doholona dia miisa 75 ny Ekipa mandray anjara.

ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires) :
NANDRAY ANJARA NY MPIKAMBANA EO ANIVON’NY GOVERNEMANTA.
🎥 Manasa anao hanaraka izany.