Posted in Actualités

FITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY FANJAKANA.

FITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY FANJAKANA : NASIANA NY VARAVARANA MISOKATRA HO AN’NY VAHOAKA.

Zoma 29 Septambra 2023, nahitam-bokatra ny fikaonandoha notanterahin’ny Mpitsara misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana, izay notanterahina teto Toamasina.

🎯 Nilaza ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa hatao fomba fiasa, ary hampiharina avy hatrany ireo hevitra nivoitra nandritra ny telo andro nanaovana ny fikaonandoha. Hita ny lesoka eo am-panatanterahina ny asa, betsaka ny olana voavaha, antony nanamafisan’ny Minisitra fa ho tohizana ny fanatanterahina atrikasa toy izao.

📌 Raha ho an’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana eto Toamasina, raharaha telo no tena misongadina dia ny fangatahana fanafoanana fanapahana, ny raharaha mikasika ny asam-panjakana ary ny mikasika ny fanajariana ny tanàn-dehibe.

➡️ Ho fanamafisana ny Fitsarana manakaiky vahoaka, dia nisy ny varavarana misokatra ho an’ny tompon’ andraikitra ara-panjakana sy ho an’ny Vahoaka, nentina nampahafantatra ny tontolo manodidina ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana. Hetsika namaranana ny telo andro ho an’ny fikaonandohan’ny Mpitsara misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana.

✅ Fiaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny PNUD ary ny ANJA.

Posted in Autres Evenements

FANAPARIAHANA LALÀNA.

FANAPARIAHANA LALÀNA : TAO AMIN’NY FARITRY MORAMANGA NO NAMARANANA NY HETSIKA

📌 Alakamisy 28 septambra 2023, tao Moramanga (Ambohibary ) ka nifarana ny zoma tao Andasibe ny fidinana ifotony nataon’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny hetsika fanapariahana lalàna tany amin’iny ampahany amin’ny ilany antsinanana iny.

🎯 Ny fanapariahana lalàna dia anisan’ireo hetsika ataon’ny Minisiteran’ny Fitsarana tarihin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana mba hanatra-
trarana ilay « Fitsarana manakaiky vahoaka ».

✅ Nanohana ny hetsika ny PAJMA.

Posted in Actualités

FANOMEZANA KOPIA FAOBE.

FANOMEZANA KOPIA FAOBE: MITOHY NY EZAKY NY MINISITERAN’NY FITSARANA SY NY OIF.

📌Ny Alakamisy 28 sy ny Zoma 29 Septambra 2023, Kaominina roa ao amin’ny Faritra Itasy, anatin’ny Distrikan’Miarinarivo sy Soavinandriana indray no nanatanterahana ny fizarana kopia faobe.

➡️Ho an’ny Kaominina Miandrandra dia ankizy miisa 350 no nahazo izany. Miisa 300 kosa ho an’ny Kaominina Ampary. Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana dia nanentana hatrany ny Ray aman-dReny, mba hanoratra avy hatrany ny zaza raha vao teraka, mba ialana amin’ny olana hateraky ny tsy fananana sora-piankohonana. Tetsy an-kikany, nahatsapa ny rehetra fa tsy nataon’ny Minisiteran’ny Fitsarana ho ambanin-javatra ny ho avin’ny zaza Malagasy matoa misy izao hetsika izao.

✔️Ny fananana sora-piankohonana mantsy no hahafahana mianatra, manana karapanondro, hahafahana mifidy, ary hahafahana misora-panambadiana. Tsara ny mampahatsiahy fa ity fizarana kopia faobe ity, dia fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, ny OIF ary ny Ben’ny Tanana amin’ny toerana hiantefan’ny tetikasa.

Posted in Autres Evenements

FANAPARIAHANA LALÀNA.

FANAPARIAHANA LALÀNA : TAO AMIN’NY FARITRY MORAMANGA NO NAMARANANA NY HETSIKA

📌 Alakamisy 28 septambra 2023, tao Moramanga (Ambohibary ) ka nifarana ny zoma tao Andasibe ny fidinana ifotony nataon’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny hetsika fanapariahana lalàna tany amin’iny ampahany amin’ny ilany antsinanana iny.

🎯 Ny fanapariahana lalàna dia anisan’ireo hetsika ataon’ny Minisiteran’ny Fitsarana tarihin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana mba hanatra-
trarana ilay « Fitsarana manakaiky vahoaka ».

✅ Nanohana ny hetsika ny PAJMA.

Posted in Actualités

FITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY FANJAKANA.

FITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY FANJAKANA: MANAO FIKAONANDOHA. MANDRAY ANJARA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA.

📌Alarobia 27 Septambra 2023, eto Toamasina no hanatanterahana ny fikaonandohan’ny Mpitsara misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana manerana an’i Madagasikara. Lohahevitra telo no ho kirakiraina, hifampizarana traikefa ary hanaovana adihevitra. Isan’izany ny mikasika ny fifidianana eny anivon’ny vondrombahoaka hitsinjaram-pahefana, izay andraikitry ny Fitsarana misahana ny ady hifanaovana amin’ny Fanjakana.

➡Voalohany no nisian’ity fikaonandoha ity, izay notohanan’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny PNUD, tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny Fitsarana raha ny nambaran’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Nambarany fa betsaka ny fanavaozana tokony ho tanterahina, na eo amin’ny fomba fiasa, na eo amin’ny famoahana didy sy fampiharana ny lalàna. Matetika mantsy no tsy mitovy ny didy mivoaka amin’ny tranga mitovy, antony maha-zavadehibe ny fikaonandoha toy izao.

⭕Telo andro no faharetan’ny fikaonandoha eto Toamasina ka hisy ny varavarana misokatra ho an’ny Vahoaka, hampahafantarina ny adidy sy andraikitry ny Fitsarana misahana ny ady hifanaovana amin’ny Fanjakana.