Posted in Actualités

Fanalefahan-tsazy faobe avy amin’ny Filoham-pirenena : mampihena ny isan’ny voafonja

Toy ny isan-taona amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena, dia nanome fanalefahan-tsazy faobe ho an’ireo voafonja voasokajy manokana ho afaka misitraka izany ny Filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina. Izany dia miainga avy amin’ny tatitra nataon’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Johnny Andriamahefarivo. Mampihena ny isan’ny voafonja manerana an’i Madagasikara izao, indrindra amin’ny ady atao amin’ny fipariahan’ny tsimokaretina Covid-19.

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-624, mihatra amin’ireo olona nahazo fanamelohana raikitra tamin’ny datin’ny 24 jona 2020 sy ireo izay nanao fampiakarana fitsarana na fangatahana fandravana ka nisintona izany tao anatin’ny fe-potoana roa (02) volana manomboka amin’io vaninandro voalaza io ihany.

Fanalefahan-tsazy omena ireo olona voaheloka amin’ny sazy tsy ahazoana fahalalahana izay efa mihatra nanomboka ny daty ampahafantarana ny besinimaro amin’ny alalan’ny fampielezam-peo na fahitalavitra sy ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika. Voasokajy ho ao anatin’izay :

Ny famelan-tsazy tanteraka ho an’irro olona voasazy noho ny heloka tsotra, ka efa telo (03) volana sisa no efainy.
Ny famelan-tsazy tanteraka ho an’ireo olona efa nahazo taona voasazy, ka efa feno dimy amby dimampolo (55) taona farafahakeliny ho an’ny vehivavy, ary enimpolo (60) taona farafahakeliny ho an’ny lehilahy, amin’ny datin’adro ivoahan’ity didim-panjakana ity ka efa nahefa folo (10) taona farafahakeliny tany am-ponja.
Ny famelan-tsazy tanteraka ho an’ny zaza tsy ampy taona nahavita ny antsasaky ny saziny.

Tsy voakasiky ny fampiharana ity didim-panjakana ity kosa ireo olona voaheloka amina sazy tsy ahazoana fahalalahana noho ireto heloka manaraka ireto :

Ny fanodikodinam-bolam-panjakana, ny fandraisana tsolotra na kolikoly, ireo heloka momba ny famotsiambola, ny heloka rehetra mikasina ny andramena sy ny hazo mainty, ny sazy momba ny fihazàna, ny jono ary ny fiarovana ireo biby dià, ny varotra zavamaniry sy bibi dià eo amin’ny serhatra iraisam-pirenena, ny heloka momba ny harena ankibon’ny tany, ireo heloka rehetra mikasika ny fihetsika mamoa fady, no vono olona sy ny vono olona efa nomanina, ny fisamborana olona tsy ara-dalàna sy ny fitazomana olona an-keriny, ny lositra na ireo voafonja an’ady ary ny famerenan-keloka.

Voalaza fa manodidina ny 3.000 ireo voafonja nahazo ity famelan-tsazy ity manerana an’i Madagasikara.