Posted in Actualités

Vaovao avy amin ny Fandraharahana ny Fonja

Mitohy hatrany ny ady amin’ ny Covid-19 eo anivon’ny tontolon’ny fonja sy ho fanajana ny zon’olombelona.Tonga nanefa ny ady amin’ ny Covid-19 teto amin’ny fonjaben’ Antanimora ny solombavambahoakan’ I Madagasikara Ramatoa Lanto Rakotomanga voafidy teto Antananarivo II notronin’ ireo mpiara miasa aminy sy Andriamatoa Délégué Arrondissement II. Tambavy CVO 345 fonosana, ranom-panafody 40l désinfectant, aro-tava 500 isa, vary 100kg no nentin’ ireto mahalala tanana ireto.

Nisaotra noho izao fihetsika feno fitiavana izao Andriamatoa Directeur Générale de l’Administration Pénitentiaire (DGAP), Ramatoa Directeur Régionale de l’Administration Pénitentiaire (DRAP) Analamanga, ny Chef d’Etablissement Pénitentiaire (CEP) mpisolotoerana miaraka amin’ ireo mpandraharaha ny fonja. Nanome toky Ramatoa Solombavambahoaka fa hanohy ny ady amin’ ny Covid-19 miaraka amin’ ny Ministera.

Teto amin’ ny fonjaben’ I Fianarantsoa koa dia nisy ny tosika ara-tsakafo nataon’ ny Fikambanana katolika Caritas. Tonga nanome vary sy laoka ireo voafonja rehetra lahy sy vavy ary ireo ankizy tsy ampy taona ireo masera avy amin’ny Fikambanana Caritas notronin’ ireo mpilatsaka an-tsitrapo.
Savony sy fotsimbary ihany koa no natolotr’ ireo mahalala Tanana eto Fianarantsoa hoan’ ireo voafonja.
Ankoatr’ izay dia saika nahazo ireo fanafody isan-karazany iadiana amin’ ny Covid-19 ireo Fandraharahana ny Fonja manerana ny nosy avy amin’ny Ministera, tsy adino koa ny anjaran’ ny Fandraharahana ny Fitsarana ankapobeny.

Tsy mijanona ny ezaka rehetra amin’ny ady amin’ ny Covid-19 eto anivon’ ny Ministera iray manontolo mba hahafahana manefa ny adidy eto anivon’ny firenena.
Mbola maneho fisaorana hoan’ ireo mpanohana rehetra tsy ankanavaka ny Ministera tarihin’ Andriamatoa Ministra sy ny ekipa rehetra.

Posted in Actualités

Monsieur RAVELOSON Clovis s’en est allé,

Ce fut avec une peine immense que nous avons appris le décès de Monsieur RAVELOSON Clovis.
Représentant du Groupement des Entreprises de Madagascar (GEM), il était une figure de la Commission de Réforme du Droit des Affaires (CRDA). Il en était membre depuis ses débuts, ce qui fait de lui le doyen et un pilier de cette commission.
Immanquablement, durant plusieurs années, Monsieur RAVELOSON Clovis assistait avec implication sans faille aux réunions de la CRDA et nous partageait ses expériences. Il nous a marqué par son enthousiasme et son dynamisme. Doué d’un sens de responsabilité remarquable, Il éveillait les consciences tout en restant discret.
Tous ceux qui ont eu le privilège de le côtoyer garderont un souvenir impérissable d’un grand homme au cœur humble et généreux.
A sa famille, nous nous associons à votre peine et vous présentons nos plus sincères condoléances.
Reposez en paix Monsieur RAVELOSON.

LE MINISTERE DE LA JUSTICE
LES MEMBRES, LES ANCIENS MEMBRES ET LE SECRETARIAT TECHNIQUE DE LA COMMISSION DE REFORME DU DROIT DES AFFAIRES

Posted in Actualités

FAMPITAM-BAOVAO MOMBA NY FANDRAHARANA NY FONJA

Fonjan’Arivonimamo: voafonja 6 no mitondra ilay tsimokaretina covid 19.

Efa noraisina an-tanana manokana izy ireo. Ny herinandro lasa teo,natao fitsirihana ara-pahasalamana avokoa ireo voafonja miisa 356 tazonina ao amin’ireo efitrano 7 ao amin’ny fonjan’Arivonimamo . Voafonja 6 no voamarina fa mitondra ilay tsimokaretina ka nandraisana fepetra manokana avy hatrany. Nafindra tao amin’ny «infirmerie» izy ireo, nomena fanafody araka ny <> nomen’ ny Ministera misahana ny Fahasalamana. Etsy andaniny dia, nohezahina natsaraina ihany koa ny sakafo nomena azy ireo.

Nafindra eny Andrangaranga ireo voafonja mitondra ny tsimokaretina covid-19 ireo. Misy ny fiambenana manokana noho izany. Manampy azy ireo dia misy ihany koa voafonja 15 hafa izay vao nahazo didy famonjana vonjimaika ka mbola natoka-monina na natao «mise en quarantaine» eny Andrangaranga ihany koa. Nohamafisina ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana ho an’ny mpiasa sy ny voafonja ka nisy koa ny fepetra noraisin’ny ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Arivonimamo izay nampifanarahana amin’ny paikady napetraka eny anivon’ny fonja.

Laharam-pahamehana ho an’ny Ministeran’ny Fitsarana ny fiahiana ny maha-olombelona na eo ireo voafonja fa indrindra ihany koa ho an’ireo misahana ny fandraharahana ny fonja rehetra. Noho izany, tsy navela mivezivezy mankany amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany intsony aloha ireo voafonja ary naato ny fampidirana am-ponja vonjimaika raha tsy misy ny antony manokana. Naato avokoa ny fandraisana olona na ny raharaham-pitsarana «audience». Mbola mitohy ny fanafoanana ny famangiana. Sady consigné no nahiboka ireo mpandraharahan’ny fonja rehetra ankoatr’ireo izay marefo ara-pahasalamana.

Tao-trano anefa tsy efa ny irery, ka ho fifanomezan-tanana amin’ny Ministera dia,nanolotra fanafody hitsabona ireo mararin’ny covid 19 sy tambavy ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Nanolotra izany tany an-toerana moa ny Ministra – Johnny Richard ANDRIAMAHEFARIVO. Nanatitra aro-tava sy ranom-panafody amendrahana ny fonja sy ny manodidina ny Ben’ny tanana ao an-toerana. Rano sy savony, vary sy dattes, virocide, eau de javel, aro-tava , fitehirizan-drano, CVO no naterin ny CRCO Itasy omaly hariva.

Posted in Actualités

Communiqué de Presse/ Fampitam-baovao

Surpopulation carcérale : Début de désengorgement des prisons bientôt

Le Garde des sceaux ministre de la Justice (GSMJ) Johnny Andriamahefarivo a dirigé son équipe hier pour une visite de chantier à Fonenana Imerintsiatosika. Il s’agit de la construction d’une prison de haute sécurité. Elle est destinée entre autres, à accueillir les grands criminels des prisons de tout Madagascar.
Haut de 7,40m mètre, le bâtiment est composé de 16 cellules pouvant accueillir 500 détenus. Concernant les spécificités techniques : bâtiment en dur réparti en 2 niveaux, toiture en béton armé, clôture 6m, mirador 16m, surface du bâtiment 4.800 m², superficie totale de 6.606 m² avec bureau, réfectoire, salle polyvalente, magasin de stockage, parloirs, chapelle et infirmerie. La cour de promenade est d’une surface de 1.000 m², avec un terrain de basket-ball. Corps du mur en maçonnerie de parpaing plein, ossature en béton armé, hauteur sous plafond 3,50m, dimension : 61,60m de longueur et 41,22m de largeur. C’est l’entreprise Razafintsalama & Fils (SRaFi) qui est chargée des travaux, avec un délai d’exécution de 8 mois. D’après les explications de l’ingénieur de SRaFi, il ne reste plus que les travaux de finition et la clôture. L’inauguration de cette prison de haute sécurité par le Président de la République de Madagascar est prévue en novembre 2020.

Consignes strictes

Lors de cette visite de chantier, le numéro Un de la Justice Malagasy a donné des consignes strictes aux entrepreneurs en charge des travaux sur le respect du délai d’exécution et du contrat. Il a également souligné l’importance de privilégier la notion de beauté de l’œuvre, pour le respect du droit de l’homme.
Ce fut également une occasion pour le Garde des Sceaux Ministre de la Justice (GSMJ) de diriger une réunion de travail de son équipe. Parmi ces recommandations, le respect des gestes barrières en cette période de pandémie du Covid-19. Il a aussi rappelé l’obligation de résultats pour toutes les directions du ministère et la culture d’excellence dans l’accomplissement de chaque mission.

 


Fahafenoan’ny fonja : Hisy gadra hafindra toerana tsy ho ela

Tsy ho ela intsony dia ho hita maso sy azo ho tsapain-tanana ny ezaka ataon’ny ministeran’ny Fitsarana amin’ny famahana ny olan’ny fahafenoan’ny fonja eto Madagasikara. Nitarika delegasiona ny Mpitahiry tombonkasem-panjakana minisitry ny Fitsarana, Johnny Andriamahefarivo, omaly nitsidika ny asa fananganana fonja manara-penitra eny Fonenana Imerintsiatosika. Raha ny tombana dia tokony ho amin’ny volana novambra no ho tokanan’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ity fonja vaovao, voalohany eto amin’ny tantaran’ny firenena ity.

Lire la Suite « Communiqué de Presse/ Fampitam-baovao »

Posted in Actualités

Fepetra ho raisina eny amin’ny sampan-draharaha rehetra manerana ny Nosy izay miankina amin’ny Ministeran’ny Fitsarana


TELECHARGER LE FICHIER