Posted in Actualités

Tohin’ny hetsika fizarana aro-vava

Mbola notohizana androany ny fizarana aro-vava izay nandraisan’ny Ministeran’ny Fitsarana anjara mavitrika tamin ny Fokontany 10 teto amin’ny Firaisana I, tsy nohadinoin’Andriamatoa Johnny Richard ANDRIAMAHEFARIVO Ministry ny Fitsarana koa ny nizara sy nanome izany tamin’ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Fitsarana Tampony sy ny Lapan’ny Fitsarana Anosy satria misy tokoa ireo mpiasan’ny Fitsarana manefa izany asa masina izany. Fehiny, aro-vava 23.000 isa no voazara tamin’ ity herinandro ity ary mpiasan ny Ministera 100 mahery no nanefa ny adidiny amin’ny ady amin’ ny Covid19. Manentana hatrany amin’ny fiarovana sy fampiasana aro-vava ary ny fihiboana any an-trano.

Posted in Actualités

Hetsika fizarana aro-vava

Iray amin’ireo Fokontany nanohizana ny asa fizarana aro-vava iandraiketan’ny Ministeran’ny Fitsarana ny tao Avaratetezana Bekiraro Boriboritany voalohany, ny Ministry ny Fitsarana koa dia nidina ifotony nizara sy nanentana ny amin’ny tsy maintsy itondrana izany, ary nitondra fanazavana ny amin’ny tambavy Covid-organics izay tena ilain’ny Malagasy ary maro no miandrandra fahasalamana avy aminy. Mbola mitohy hatrany ny fizarana aro-vava manerana ireo toerana mila izany rahampitso zoma.

Posted in Actualités

Hetsika fizarana AntiCovid19

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany 22 aprily 2020 ny hetsika fizarana AntiCovid19 (Aro-vava, Covid-organics ary ny dosette infusion)avy amin’ny fitondram-panjakana foibe, ka notanterahana teo amin’ny parvis Analakely izay notarihan Atoa Naina ANDRIATSITOHAINA , « Ben’ny Tanànan’ Antananarivo ». Nifarimbonan’ny Foloalindahy, ny Ministera’ny Fitsarana ary ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo izany, izay teo ambany fitantanan’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, ka aro-vava 20.000 isa no nozarain’ny Ministeran’ny Fitsarana tamin’ny fokontany 10 (Avaratetezana Bekiraro, Soarano, Ambondrona, Tsiazotafo, Ampandrana, Ankadivato, Faravohitra Ambony, Faravohitra Mandrosoa, Ambohitsirohitra Analakely, Ambatomena Amboasarikely) hita ao anatin’ny Boriboritany voalohany. Mbola hitohy ny Alakamisy 23 aprily ny hetsika fizarana aro-vava ho fiarovana amin’ny valan’aretina Covid 19.
Malagasy miaro tena mandresy ny Covid19 no tanjona.

Posted in Actualités

Fanomezana fanampiana ireo olona voafonja ao amin’ny Fonjaben’ny Manakara

Notontosaina ny Alatsinainy 20 aprily 2020 maraina tao Manakara (Faritra Vativavy 7 Vinany) ny lanonana fanomezana fanampiana ireo olona voafonja ao amin’ny Fonjaben’ny Manakara avy amin’ny CIZAMA (Congrégation Indienne ZAnatany de Madagascar). Tonga nitondra ny teny fisaorana sy fankasitrahana tamin’izany ny Tale Jeneralin’ny Fandraharana ny Fonja izay nisolotena ny Ministry ny Fitsarana. Nanontrona izany lanonana izany ihany koa ny Tonian’ny mpampanoa Lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany sy ireo mpiara-miasa ao amin’ny Fandraharana ny fonja ao Manakara.
Mitsinjara toy izao ireo fanampiana :
– Vary 60 gony
– Savony bara 30 baoritra
– Savony ranony 10 tavoahangy
– Gel désinfectant 100 tavoahangy
– Aro-vava 500 isa
Tao anatin’ny fandraisam-pitenenana no nanamafisan’ny solotenan’ny CIZAMA fa mbola hitohy ny fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Fitsarana fa tsy hijanona hatreo amin’ny fiatrehana ny ady amin’ny COVID 19 izao.

Posted in Actualités

Fanampiana avy amin’ny fikambanana CIZAMA (Congrégation Indienne ZAnatany de MAdagasccar)

Tao aorian’ny antso avo nataon’ny Filoham-pirenena Andriamatoa Andry RAJOELINA ny ho amin’ny firaisankina sy fifanomezan-tanan’ny samy Malagasy, dia tonga nanantanteraka sy nanatitra fanampiana ny fikambanana CIZAMA (Congrégation Indienne ZAnatany de MAdagasccar) eto Antananarivo. Notolorana ny Ministeran’ny Fitsarana izay notarihan’Andriamatoa Johnny Richard ANDRIAMAHEFARIVO, Ministry ny Fitsarana niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky izany fanomezana sy fanampiana izany, ary notanterahana tao amin’ny HOTEL CENTELL androany alakamisy 09 aprily 2020.
Misokajy toy izao ireo fanampiana : vary 100 lasaka, savony 100 baoritra, 50 litatra Gel désinfectant, 600 tavoahangy gel désinfectant, 200 seaux, 200 bassines, 200 timbales, 100 koveta ary 15 baoritra taratasy A4.
Tamin’ny fandraisam-pitenana dia nanatintratintra Andriamatoa Ministra fa ho tonga ary tsy hisy hanambinana eny amin’ny mpiandraikitra isa-tsokajiny ireo fanampiana ireo, ary indrindra indrindra ho jerena manokana ireo voafonja izay olombelona manana ny zony ao anatin’izany, izay hisitraka amin’ny ampahany maro amin’ireo fanomezana ireo.
Nankasitraka indrindra izao fihetsika feno fitiavana naseho izao ny fitondram-panjakana izay nosoloin’ny Ministry ny Fitsarana tena, ary mbola maniry ny fiaraha-miasa hety amin’ny Fikambanana CIZAMA amin’ireo any amin’ny faritra hafa manerana ny Nosy.