Posted in Actualités

Fihaonana teo amin’Andriamatoa mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana sy ny Ambasadoaro ny Japon

Tonga nitsidika ny mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Jhonny Richard ANDRIAMAHEFARIVO ny 11 jona 2020 lasa teo ny Ambasadoaro ny Japon eto Madagasikara HIGUCHI Yoshihiro. Nivoitra nandritry ny fihaonana tamin’izany ny fitohizan’ny fiaraha-miasa miaraka eo amin’ny Madagasikara sy ny Japon eo amin’ny lafin’ny tontolon’ny Fitsarana ka vonona ny hanome tanana amin’ny ady amin’ny kolikoly, ny fanavaozana ny raharaham-pitsarana, ny fanomezana fiofanana hoan’ireo mpitsara sy ireo mpiraki-draharaha ary ny fanavaozana sy fandrindranan’ireo fonja eto Madagasikara. Nanambara ny Ambasadaoro ny Japon fa mbola maro ireo tetik’asa ho avy hoentina hanatsarana sy hameranana indray ny fahatokisan’ny vahoaka ny tontolon’ny fitsarana.