Posted in Actualités

Tatitra mahakasika ny tontolon’ny fitsarana nandritry ny fivoriana ara-potoana tanterahin’ny Antenimieram-pirenena teny amin’ny CCI Ivato

Araky ny voafaritry ny lalàna, tsy maintsy manatanteraka fihaonana amin’ireo solombavambahoaka ny Praiministra lehiben’ny Governemanta sy ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta mandritry ny fivoriana ara-potoana tanterahin’ny Antenimieram-pirenena. Fanaovana ny tatitra mahakasika ireo fandaharanasa fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana no anton’izay. Omaly no nanatontosana izay fihaonana izay teny amin’ny CCI Ivato ny roa tonta ka isany voaresaka tamin’izany ny tontolon’ny fitsarana.
Vaindoandraharahan’ny governemanta ny fanamafisana fototra ny tany tan-dalàna izy tsy maintsy mandalo amin’ny famerenana amin’ny hasiny ny Fitsarana sy ny Tontolony. Tanjona amin’izany ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.
Imasoan’ity rantsana mpanatanteraka ity ny fametrahana ny fitsarana manakaiky ny vahoaka sy mba ho fanajana ny zo fototr’ireo voafonja. Raha tsiahivina dia fito arivo sy roa alina (27.000) amin’izao ny isan’ireo voafonja. Ny fahafaha-mandray ananantsika nefa dia arivo sy iray alina (11.000) fotsiny.
Efa tamin’ny taon-dasa (2019 ) no natomboka ireo ezaka, ka isan’izany ny fananganana fonja vaovao tao Imerintsiatosika (fonja lehibe ho vita amin’ity taona ity), Sambava ary Fianarantsoa. Nisy ihany koa ny fanavaozana ny fonja tao Moramanga, Ampanihy ary Manjakandriana. Natsaraina sy navaozina ny fidirana eo amin’ireo toerana ireo. Natomboka ny fanorenana tribonaly ambaratonga voalohany tao Antananarivo Avaradrano.
Amin’ny taona 2020, Dimy ny fitsarana ambaratonga voalohany hatsangana eto amintsika dia ny ao Besalampy, Sainte-Marie, Ambilobe, Sambava, Belo sur Tsiribihina. Fonja lehibe (Maisons de force) roa no haorina natokana ho an’ireo mpanao asa anterivozona sy ireo dahalo rain-dahiny dia ny any Tetezambaro Toamasina sy Ikelivondraka Ihosy. Fonja na (Maisons centrales) enina hatsangana any amin’ny distrika samihafa toan’I Sainte-Marie, Belo sur Tsiribihina, Amboasary-Atsimo, Antananarivo-Avaradrano, Fenerivo-Atsinana, Ambositra. Ho vatsiana fiara manokana hitaterana voafonja sy fiara vonjy taitra na (Véhicule cellulaire, véhicule d’intervention rapide) ny fandraharahana ny fonja.