Posted in Actualités

Filankevi-panjakana.

📌Alakamisy faha 25 Janoary 2024, teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy. Nanao dinik’asa ny Mpiasa rehetra eo anivon’ny Filankevi-panjakana. Nanatrika izany ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay nilaza fa fanohizana ny atrik’asa natao tany Toamasina izao tanterahana izao, ary mifanandrify amin’ny andry telo napetraky ny Filoham-pirenena, ao anatin’izany ny fanatsarana ny asam-panjakana izay mahakasika ny asam-pitsarana ihany koa. Hamafisina ny ady amin’ny kolikoky, ny mangarahara, ny Fanjakana tsara tantana. Efa nisy ny kaomisiona teknika natsangana, nisahana ny fitadiavam-bahaolana maharitra, izay nanao tatitra ny asa vitany.

🎯 Tanjona tamin’ity dinik’asa ity ny fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ny Filankevi-panjakana, indrindra ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana.

📎 Niatrika ny dinik’asa niaraka tamin’ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ny Filoha Voalohany eo anivon’ny Fitsarana Tampony, nitarika izany kosa ny Filohan’ny Filankevi-panjakana sy ny Kaomisera Jeneralin’ny Lalàna.
Nandray anjara avokoa ny Mpitsara, ny Mpirakidraharaha ary ny Mpiasa tsotra.

Posted in Actualités

Fitsarana tampony: Noraisina ny fianianan’ireo mpianatra ho mpitsara.

📌 Alarobia 24 Janoary 2024, teo anivon’ny Fitsarana Tampony Anosy, Mpianatra ho Mpitsara miisa 100 no nanao fianianana.

🔸60 Mpianatra ho Mpitsara ny ady hifanaovan’ny olon-tsotra.
🔸20 Mpianatra ho Mpitsara ny ady hifanaovana
amin’ny Fanjakana.
🔸20 Mpianatra ho Mpitsara mikasika ny fitantanana ny volam-panjakana.

📌 Fianianana santatra no nataon’izy ireo, mialohan’ny handehanana hizatra asa eny anivon’ny sampam-pitsarana manerana an’i Madagasikara.

📌 Nitarika ny lanonam-pitsarana manetriketrika, nandraisana izany fianianana izany ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony sy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony.

📎 Marihana fa 24 Volana no faharetan’ny fiofanana ho Mpitsara eo anivon’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha (ENMG).

Posted in Autres Evenements

Faritra Vatovavy.

📌 Ny faha-7 sy faha-12 Janoary 2024, tao amin’ny Distrikan’i Mananjary no nisian’ny fanolanana zaza tsy ampy taona, ka nahatonga ireo olona roa nampidirina am-ponja vonjimaika. Efa nisy tranga hafa teo aloha ary efa any am-ponja avokoa ny mpanolana.

🎥 Mitondra fanazavana ny Tonia Mpampanoa Lalàna, ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Mananjary, Ramatoa TSIORINTSOA Marie Alicia.

Posted in Autres Evenements

FANOLANANA : TSY HISY FANDEFERANA NY FAMPIHARANA NY LALANA ARY MIHATRA HO AN’IZAY MELOKA REHETRA NY SAZY.

📌 Anio, 12 janoary 2024, dia nitondra fanazavana ny Tonia Mpampanoa Lalàna, Ramatoa Rakotoniaina Narindra Navalona, mahakasika hatrany ity resaka fanolanana zaza tsy ampy taona, izay tena tsy handeferan’ny Ministeran’ny Fitsarana, indrindra moa fa tafiditra ao anatin’ny Politika vaovaon’ny Ministeran’ny Fitsarana izany mba ho fiarovana ny zaza tsy ampy taona.

🎥 Manasa antsika hanaraka izany manontolo.

Posted in Autres Evenements

RAHARAHA VARY LO TAO MAHAJANGA : TSY MARINA NY FILAZANA FA NAVOAKA NY FONJA NY PREFEN’I MAHAJANGA.

📌 Mitondra fanampim-panazavana ny Tonia Mpampanoa Ambony ao amin’ny Tendrom-pitsarana Miady amin’ny Kolikoly (PAC) eto Antananarivo, Ramatoa RASOAHANTA Elysée.
🎥 Manasa antsika hanaraka ny andinin’izany.