Posted in Actualités

Conseil Supérieur de la Magistrature.

📌 Namarana ny fihaonana tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana tamin’ity andron’ny 25 Janoary 2024 ity ny fitsidihana tamin’ny fomba fanajana nataon’ny Mpikambana eo anivon’ny CSM ( Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara), izay notarihan’ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony sy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony.

Posted in Actualités

Fihaonan’ny Ministry ny Fitsarana tamin’ny solotena avy amin’ny UNICEF sy ny masoivohon’ny MAROC.

📍 Alakamisy faha-25 janoary 2023, teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra. Nihaona tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ny solotenan’ny UNICEF, Christine JAULMES, niarahaba nohon’ny fanendrena azy hitantana ny Ministeran’ny Fitsarana indray ary nanamafy ny hisian’ny fifandraisana malalaka sy tsy tapaka.

📎 Nifampiresahana ihany koa ny laharam- pahamehana. Nandritra io fihaonana io no nitondran’ny Minisitry ny Fitsarana fankasitrahana ho an’ny UNICEF ary nirariany ny fitohizan’ny fiaraha-miasa.

📍 Taorian’izay dia nihaona tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ihany koa ny Masoivohon’i Maroc Mohammed Benjilany izay nisolotena ny governemantan’izy ireo. Niarahaba nohon’ny mbola nanendrena azy ho Ministry ny Fitsarana indray.

📎 Noresahan’izy ireo ihany koa ny fanamafisana ny fifandraisan’ny firenena roa tonta eo amin’ny sehatry ny lalàna, singa lehibe mitondra mankany amin’ny Fanjakana tsara tantana, izay mifandraika amin’ny andry telo nofaritan’ny Filoham-pirenena, ho fototry ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Posted in Actualités

Filankevi-panjakana.

📌Alakamisy faha 25 Janoary 2024, teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy. Nanao dinik’asa ny Mpiasa rehetra eo anivon’ny Filankevi-panjakana. Nanatrika izany ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay nilaza fa fanohizana ny atrik’asa natao tany Toamasina izao tanterahana izao, ary mifanandrify amin’ny andry telo napetraky ny Filoham-pirenena, ao anatin’izany ny fanatsarana ny asam-panjakana izay mahakasika ny asam-pitsarana ihany koa. Hamafisina ny ady amin’ny kolikoky, ny mangarahara, ny Fanjakana tsara tantana. Efa nisy ny kaomisiona teknika natsangana, nisahana ny fitadiavam-bahaolana maharitra, izay nanao tatitra ny asa vitany.

🎯 Tanjona tamin’ity dinik’asa ity ny fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ny Filankevi-panjakana, indrindra ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana.

📎 Niatrika ny dinik’asa niaraka tamin’ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ny Filoha Voalohany eo anivon’ny Fitsarana Tampony, nitarika izany kosa ny Filohan’ny Filankevi-panjakana sy ny Kaomisera Jeneralin’ny Lalàna.
Nandray anjara avokoa ny Mpitsara, ny Mpirakidraharaha ary ny Mpiasa tsotra.