Posted in Actualités

NIARAHABA NY MINISITRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA, NOHON’NY FAHATRATRARANA NY TAONA VAOVAO NY MPIARA-MIASA.

Teto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, niarahaba ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana nohon’ny fahatratrarana ny taona vaovao ny Fianakaviamben’ny Minisitera sy ny Fianakaviamben’ny Fitsarana..
Nitondra ny teny firariantsoa ny Filoha Voalohany eo anivon’ny Fitsarana Tampony PPCS, RAKOTONAVALONA RANARY Robertson.

⭕Namintina ny asa vita tamin’ny taon-dasa, izay azo lazaina fa nisongadina tokoa raha ny fanavaozana natao tamin’ny tontolon’ny Fitsarana sy Fitantanana ny Fonja, niainga tamin’ny soridalana nofaritana hitantanana ny Minisitera.
Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nilaza fa na miova aza ny taona, ny adidy sy andraikitra mitohy ary hamafisina ny ezaka satria maro ny asa mbola miandry toy ny fanatevenana ny ady amin’ny kolikoky, hisy fepetra maro ho raisina amin’ ny fanatanterahana izany, hamafisina ihany koa ny Fanjakana tsara tantana, ary hampiasaina ny teknokojia vaovao amin’ny fampiharana izany.