Posted in Autres Evenements

Fampahafantarana sy fanapariahana lalàna mahakasika ny ankizy manan-draharaha eny amin’ny Fitsarana Ady Heloka.

📌Notanterahana ny 13-14-15 desambra 2022 lasa teo tao Mananjary, Manakara, Vohipeno ary Ranomafana ny fampahafantarana sy fanapariahana lalàna mikasika ny zon’ny ankizy nanao heloka sy ny paikady ara-pitsarana manodidina izany.

➡️Novelabelarina mandritra izany koa ireo fepetra ivelan’ny fampidirana am-ponja atao amin'ny ankizy.

⭐ Tanjona kendrena amin’izany ny:
👉 fampahafantarana misy misy kokoa ireo lalàna manankery mahakasika ny ankizy,
👉 fanohizana ireo ezaka efa natao ho fampihenàna ny tahan’ny ankizy miditra am-poja,
👉 fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo ankizy ireo eo anivon’ny fitsarana,
👉 fanentanana momban’ireo fepetra ivelan'ny fampidirana am-ponja atao amin'ny ankizy.

⭕Anisan’ny nisitraka izao hetsika izao ireo manampahefana tao an-toerana, ireo tambajozatra fiarovana ny ankizy ary ny vahoaka tao an-toerana.
Izany moa dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny UNICEF Madagasikara ao anatin’ilay Tetikasa Fiarovana ny Ankizy.