Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

🇲🇬⚖️Teny amin’ny Fonjamben’Antanimora­ no nanatanterahana ny fananganan-tsaina farany tamin’ity volana janoary ity. Rtoa RABY Savatsarah, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana no nisolotena an’Andriamatoa Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana,ary niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy rehetra eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana.

Posted in Actualités

⚖️Fitsarana manetriketrika Fametrahana ny Filohan’ny Fitsarana Fandravana Anio 27 Janoary 2023.

📌Notontosaina tao aorian’ny fanombohana ny taom-pitsarana 2023 teo anivon’ny Fitsarana Tampony Anosy ny Fianianana sy Fametrahana amin’ny toerana an-dR/toa SLIME Yvonne Josette Marie Viviane ho Filoha Voalohan’ny Fitsarana Fandravana ary koa nandraisana azy ho mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo (Haute Cour de Justice).

Posted in Actualités

Fotoam-pitsarana manetriketrika nanamarihana ny famaranana ny Taom-pitsarana 2022 sy ny fanombohan’ny Taom-pitsarana 2023.

📌Tatitry ny asa vita mahakasika ireo antonta-taratasin’ad­y voaray sy voatsara nandritra ny taona 2022 no nanombohan’ny Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis ny kabariny.
Antontan’isa azo avy amin’ireo Fitsarana manerana ny Nosy.
Nanambara ihany koa izy fa vitsy ireo Mpitsara sy Mpirakidraharaha mikirakira ireo antonta-taratasin’ad­y ka mila jerena akaiky satria efa hisy sahady ireo Fitsarana Ambaratonga Voalohany hisokatra tsy ho ela.

⭕️Nofaranany tamin’ny fanomezana baiko ireo Mpampanoa Ambony sy Mpampanoa lalàna ny amin’ny tokony hanomezan’izy ireo tatitra sy fangalana toro-marika avy amin’ny lehibeny ho an’ireo « Dossiers sensibles ».

✅Ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony Andriamatoa RAKOTONAVALONA RANARY Robertson no nanambara ampahibemaso fa tapitra hatreo ny taom-pitsarana 2022 ary misokatra kosa ny taom-pitsarana 2023.

Posted in Autres Evenements

Atrikasa fandinihana.

🇲🇬 Atrikasa fandinihana ny fahafahan’ireo Malagasy miasa sy monina any ivelan’ny Madagasikara hifidy.

📍 Notanterahina tao amin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny ny alatsinainy faha-23 janoary 2023 ny atrikasa famaranana ny fandinihina ny fahafahan’ireo Malagasy miasa sy monina ivelan’ny Madagasikara hifidy, ary nandraisan’ny Ministeran’ny Fitsarana anjara mavitrika.

📍 Nanomboka ny volana aprily 2022 ny fandinihana, izay teo ambany fitarihan’ny Ministeran’ny Raharaham-Bahiny, ary niarahana tamin’ny International Centre for Migration Policy Development (ICMPD) sy ny Union Européenne.

📌 Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny fampanantenan’ny Filohan’ny Repoblika amin’ny fampandraisana anjara ireo diaspora amin’ny fifidianana izao atrikasa izao.

📌 Isan’ny nandray anjara ihany koa ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny Fiadidiana ny Primatiora ary ny CENI.
🔴 Taorian’ny dinika dia hisy ny tolo-kevitra homena ireo manam-pahefana isan’ambaratongany.

Posted in Autres Evenements

Fotoam-pitsarana Manetriketrika.

⚖️ Fotoam-pitsarana Manetriketrika, fanamarihana ny fanombohan’ny Taom-pitsarana 2023 (Rentrée solennelle année judiciaire 2023).
part.01

part.02

part.03