Posted in Autres Evenements

World Forum Convention Center

⭕ Tanterahina ao amin’ny World Forum Convention Center ao La Haye, renivohitr’i Pays-Bas nanomboka ny 5 hatramin’ny 10 desambra 2022 ny Fivoriambe iraisan’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Fitsarana Ady Heloka Bevava Iraisam-pirenena (Assemblée des Etats Parties au Statut de Rome de la Cour Pénale Internationale).
📍 Nisolo tena ny Firenena Malagasy Atoa Omer BERIZIKY, Lehiben’ny Masoivohon’i Madagasikara ao Bruxelles sy ny mpiara-miasa aminy, Atoa RAKOTONAVALONA Ranary Robertson, Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony sy BELALAHY Hanitriniaina, Tale miandraikitra ny zon’olombelona sy ny fifandraisana iraisam-pirenena.
📍 Araka ny tatitra nataon’ny Filoha sy ny Mpampanoa lalàna ao amin’ny CPI dia niakatra ambony dia ambony ny isan’ny raharaha sahanin’ny CPI ary nanaovana famotorana tamin’ity taona 2022 ity. Noentanina ny firenena mpikambana mba hifanampy amin’izy ireo ary hamita ny adidy ara-bola tokony aloany avy.
📌 Ny 6 desambra no nandray fitenenana ny solon-tena Malagasy. Nisongadina tao anatin’ny lahateniny ny fankasitrahana ireo mpitarika nandritra izay 20 taona nisian’ny CPI izay. Nohamafisina fa Madagasikara dia mametraka ho lohalaharana ny fandriam-pahalemana sy ny fahamarinana ary ny fanajana ny lalàna anisan’izany ny lalàna iraisam-pirenena. Vonona hatrany hiara-miasa amin’ny CPI sy ireo firenena mpikambana i Madagasikara mikasika ny fanajana sy ny fiarovana ny zon’olombelona, ny fanajana ny tany tan-dalàna, ny ady amin’ny kolikoly sy ny endrika fanavakavahana isan-karazany.
📌Anisan’ireo firenena tsy ampy solon-tena na tsy manana solon-tena ao amin’ny CPI isika malagasy ka amporisihana ny tera-tany Malagasy handray anjara amin’ny tolotr’asa amin’io sehatra io.