Posted in Autres Evenements

Fandraharahana ny Fonja : Famaranana ny 4 andro nanaovana ny atrikasa fiofanana momba ny fitantanam-bola amin’ny ankapobeny

Pejy an-tsary androany Zoma 26 Febroary 2021 eto amin’ny ENAP Antetezambaro-Toamasina:

Famaranana ny 4 andro nanaovana ny atrikasa fiofanana momba ny fitantanam-bola amin’ny ankapobeny, ho an’ireo IAP sy ireo mpikirakira vola eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja avy amin’ny Faritra Aalamanga, Itasy, Alaotra Mangoro ary Atsinanana.

Posted in Annonces et Informations

Fifaninanana hidirana ao amin’ny ENAP: Lisitra ho an’ireo mpiadina voatazona sy ireo tsy ho afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana

Ny andro sisa no isaina, dia ho tanterahina ny fifaninanana hidirana ao amin’ny Sekolim-pirenena ho an’ny Fandraharahana ny Fonja (ENAP) ao Antetezambaro – Toamasina. Mpiadina 500 no ho raisina aorian’ny fifaninanana ho tontosaina ny 13, 14, 15 Martsa 2021 manerana ireo ivon-toerana miisa 14 hanaovana ny fanadinana manerana ny Nosy.

Efa azo jerena ny peta-drindrina eny amin’ny Biraon’ny DRAP sy fonja manerana ny Nosy misy ny lisitra ho an’ireo mpiadina voatazona sy ireo tsy ho afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana. Manomboka amin’ny herinandro ho avy io ny fizaràna ny taratasy fampiantsoana amin’ny fifaninanana. Atolotra ho antsika izao eto ireto ireo lisitra.

Lisitr’ireo afaka manao ny fifaninana:

Lisitr’ireo tsy afaka manao ny fifaninana:

** (Tsindrio isaky ny centre hahafahanao manokatra ny rohy)

Toy izao ny fanampim-panazavana entin’ny Talen’ny ENAP, ny IAP en Chef RAZAFINTSALAMA Désiré.

 

Posted in Autres Evenements

Fandraharahana ny Fonja: Andro fahatelo amin’ny fiofanana amin’ny fitantanam-bola

Pejy an-tsary androany Alakamisy 25 Febroary 2021 eto amin’ny ENAP Antetezambaro-Toamasina:
Andro fahatelo amin’ny atrikasa fiofanana momba ny fitantanam-bola amin’ny ankapobeny, ho an’ireo IAP sy ireo mpikirakira vola eo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja avy amin’ny Faritra Aalamanga, Itasy, Alaotra Mangoro ary Atsinanana.

Posted in Autres Evenements

Fandraharahana ny Fonja: Fiofanana amin’ny fitantanam-bola

Nisokatra ny talata 23 Febroary 2021 eto amin’ny Sekolim-pirenena ho an’ny Fandraharahana ny Fonja (ENAP) Antetezambaro – Toamasina ny atrikasa fiofanana momba ny fitantanam-bola izay atrehin’ireo « Inspecteur d’Administration Pénitentiaire » (IAP) miisa 27. Haharitra 4 andro ny fiofanana, ho an’ireo IAP sy ireo mpikirakira vola avy amin’ny Faritra Aalamanga, Itasy, Alaotra Mangoro ary Atsinanana. Tanjona ny hanamafisana ny traikefa sy fahaiza-manao amin’ny lafiny fitantanam-bola. Manohana ny fiofanana ny tetikasa PAJMA (Projet d’appui à la Justice à Madagascar).
Tsiahivina fa efa vita tamin’ny taona 2020 ny fiofanana ho an’ireo IAP avy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy izay natao tany Fianarantsoa, ary ny avy amin’ny tapany avaratry ny Nosy natao tany Mahajanga.

Posted in Autres Evenements

Antalaha : Heloka ataon’ny ankizy tsy ampy taona

Ny 22, 23, 24 febroary 2021 teo no notanterahina tany Antalaha ny iraka fanitarana ny fepetra fahafahana arahi-maso izay voatondro ao amin’ny Lalàna laharana 2016.018 tamin’ny 22 aogositra 2016 mikasika ny fepetra sy paika arahina ampiharina amin’ny ankizy nanao heloka.
Izany iraka izany dia notanterahina teo ambany fitarihan-dRamatoa Tale Jeneraly ny Foibem-pitondrana Ankapobeny ny Raharaham-pitsarana, ny fandinihana sy fanavaozana ny lalàna mba ho fametrahana ny fepetra fahafahana arahi-maso any amin’ny faritry SAVA ary niarahana tamin’ny Unicef sy ny Fikambanana « Grandir Dignement » izay miara-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Fitsarana amin’ny fanatanterahana ny asa atao amin’izany fepetra asolo ny famonjana izany.
Tao anatin’izany iraka izany no nanaovana fihaonana niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra tao an-toerana izay hiara-hiasa amin’ny fanatanterahana ny fepetra fahafahana arahi-maso narahina fihaonana tamin’ny mpikambana ao amin’ ny tambazotra fiarovana ny zaza. Nisy ihany koa ny atrikasa natao niaraka tamin’ny Mpitsara ny zaza tsy ampy taona sy ireo Mpitsara rehetra teo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antalaha.
Marihina fa ny fahafahana arahi-maso dia fepetra iray asolo ny famonjana ka mametraka ny ankizy nanao heloka hitoetra eo anivon’ny fianakaviany ihany saingy eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana . Izany fanaraha-maso izany dia iantohan’ny mpiasa ara-tsosialy izay misahana ny fanarenana ny zaza. Ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Antalaha no Fitsarana faha-efatra nametrahana ny fepetra fahafahana arahi-maso tao aorian’ny Fitsarana ao Antananarivo, Mahajanga ary Antsiranana.
Nararaotina tao anatin’izany iraka izany ihany koa ny fitsidihana ny faritry ny fonja misy ny ankizy sy ny vehivavy ao amin’ny Fonjan’Antalaha ka niarahana hatrany tamin’ny Unicef sy ny Fikambanana « Grandir Dignement » izay manohana ihany koa ny ankizy voafonja amin’ny lafiny ara-tsakafo sy manampy amin’ny fanarenana azy ireo.