Posted in Annonces et Informations

Fotoam-pitsarana etsy Anosy : Hiverina amin’ny alatsinainy izao ny fitsarana ady madio

Hiverina amin’ny laoniny manomboka ny alatsinainy 31 aogositra 2020 ho avy izao ny fotoam-pitsarana etsy Anosy. Ho an’ny ady madio eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany (TPI) sy ny fitsarana ambony (CA) ireo. 3 andro mialoha dia ho hita eo amin’ny peta-drindrina (afisy) eo ivelan’ny Lapam-pitsarana ireo fotoam-pisarana sy ireo raharaha.

Tsy maintsy hajaina ireo fepetra ho fisorohana ny COVID-19. Maka mari-pana, manasa tanana eo an-tokontanin’ny Lapa, mitondra “badge”, manao arovava ary manaja ny elanelana iray metatra. Ho hentintra ny sivana sy fanaraha-maso iarahana amin’ny mpitandro ny filaminana eo am-pidirana, ary ny avy amin’ny fandraharaha ny fonja ao anatiny.

Ireo tompon-draharaha ihany no manatrika ny fotoam-pitsarana, ary ferana ho 50 ny isan’ny olona ao anaty efitrano fitsarana.

Ho an’ny Fitsarana ambony izay misahana ny TPI avy any Antsirabe, Ambatolampy, Miarinarivo, Tsiroanomandidy, Ankazobe, Arivonimamo ary ny eto Antananarivo dia miankina amin’ny fisokafan’ny lalana ireo fotoam-pitsarana. Handeha hatrany nefa ireo antotan-taratasy ho tsaraina na tsy afaka ny ho tonga ary ireo manan-draharaha ho fiarovana ny zon’ny mpiady. Anjaran’ireo mpitsara no mijery ireo toerana fiavian’ny raharaha.

Nivoitra ireo omaly tamin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny tranom-bokin’ny TPI Anosy nataon’ny lehiben’ny mpiraki-draharaha eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany (Greffier en Chef du Tribunal de Première Instance – GEC TPI) Me Herinatrehana Inham Ella, sy ny lehiben’ny mpiraki-draharaha ao amin’ny Fitsarana ambony (Greffier en Chef de la Cour d’Appel – GEC CA), Me Raoliasindrahona Aimée.