Posted in Actualités

FITONDRAM-PANJAKANA : NANOLOTRA FANAMPIANA HO AN’NY FARITRA AMORON’I MANIA

Omaly tao Amoron’i Mania, nanolotra fanampiana nahitana concentrateur d’Oxygène, aro tava, famendrahana fanafody, fanasanana tanana (DLM), désinféctant sy savony miampy fanafody , tamin’ny anaran’ny filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny ministra mpiahy ny faritra Amoron’i Mania dia ny Ministry ny Fitsarana sady mpitahiry ny fitombonkaseam-panjakana sy ny Ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra.

Noporofon’ny filoham-pirenena indray tamin’ny alalan’izao hetsika izao fa tsy manadino ny faritra Amoron’i Mania ny tenany ary ny fampandrosoana mifandanja isam-paritra no kendreny. Tao anatin’ny lahateniny, notsindrin’ny Ministra Johnny Richard ANDRIAMAHEFARIVO fa tsy fotoanan’ny fandrangitana amin’ny fampidirana loko politika izao fa ady amin’ny fahavalo tsy hita maso no atrehana ka izay no tokony imasoan’ny rehetra aloha. Tao aorian’ny fanolorana, nananatanteraka atrikasa niaraka tamin’ireo solombavambahoaka 4 avy amin’ny distrika (Ambositra, Manandriana, Fandriana, Ambatofinandrahana) , ny talen’ny kabinetran’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny tompon’andraikitra rehetra ao an-toerana tao amin’ny tranomponkolona Ambositra izy mianadahy mpiahy ny faritra Amoron’i Mania.

Tsy adino ihany koa ny tontolon’ny fitsarana teo an- toerana ka nahazo ireo anjara fitaovana entina ihadiana amin ny covid 19