Posted in Actualités

Ady amin’ny COVID-19 any am-ponja : Notolorana fanomezana ny ao Ambalatavoahangy

Ambetintenin’ny Mpitahiry kasem-panjakana sy Minisitry ny fitsarana Atoa Johnny ANDRIAMAHEFARIVO, ny fanatsarana amin’ny lafiny rehetra ary ny fanajana ny zon’olombelona. Tafiditra ao ny zon’ny voafonja. Momba ny ady atao amin’ny fipariahan’ny valanaretina COVID-19 any am-ponja, dia nanolotra fanomezana ny tao Ambalatavoahangy – Toamasina omaly ny ministeran’ny Fitsarana. Nitarika ny delagasiona ny Talen’ny kabinetra, notronin’ny Tale jeneralin’ny fahdraharana ny fonja (DGAP), ny Tonia mpampanoa lalàna (PR) sy ny Tonia voalohany mpampanoa lalàna (PG) ao Toamasina ary ny Talem-paritry ny fandraharana ny fonja (DRAP) any an-toerana.

Andiany voalohany ihany izao fanomezana sy fampitaovana izao. Mbola ho avy ny andiany manaraka. Ny “Agence française de développement” (AFD) amin’ny alalan’ny “Projet d’appui à la justice à Madagascar” (PAJMA) no mpiara-miombon’antoka sy namatsy vola.

Ireto avy ireo fanomezana : kidoro miisa 100, bodofotsy 100, sinibe fitehirizan-drano mahazaka 5 m3, barika 2 mahazaka rano 120 l avy, menaka 100 l, tsaramaso 200 kg, tsiasisa 150 kg ary vary 1200kg. Ireto kosa ireo fampitaovana ho an’ny DRAP Toamasina : kojakoja isan-karazany ilaina amin’ny fitarihana herinaratra ary fitaovana ho an’ny birao.

Nambaran-dramatoa Talen’ny kabinetra fa hisy ny fampitaovana solosaina sy ara-informatika ho an’ny fandraharana ny fonja mialoha ny fiafaran’ity taona 2020 ity. Tanjon’ny minisiteran’ny Fitsarana ny fampandrosoana ny fandraharana ny fonja. Tafiditra ao anaty tetikasa ny fananganana fonja manara-penitra sy ny fampitaovana azy, sahala amin’ izay efa natomboka eny Imerintsiatosika. Nampitain-dramatoa Talen’ny kabinetra ihany koa ny fisaorana avy amin’ny Mpitahiry tombonkasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana ho an’ny mpandraharahan’ny fonja, noho ny fahombiazana eo amin’ny ady atao amin’ny COVID-19.