Posted in Autres Evenements

Fonjaben’Antanimora.

Alakamisy 28 martsa 2024,
🎉 fotoana nanolorana tamn’ny fomba ofisialy ireo mari-pahaizana ho an’izay 🌼🌾Vehivavy nahavita fiofanana, tamin’ireo sampam-piofanana maromaro misy ao amin’ny Fonjaben’Antanimora.

📌 Nitarika ny fotoana, nisolo tena ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teny an-toerana, ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja.

Indro ary ny resaka nentin’ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, Atoa RALISAONA Arsène, teny an-toerana nandritra izany fanolorana ofisialy izany.

Posted in Actualités

Dinik’asa niarahana tamin’ny masoivoho Frantsay.

📌Alakamisy 28 martsa 2024, tonga teto amin’ny biraon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto Faravohitra ny masoivoho Frantsay, nanao dinik’asa, hijerena ireo raharaha samihafa hifanampian’ny Frantsa sy ny Minisiteran’ny Fitsarana.

photo_GSMJphoto_GSMJ2

Posted in Actualités

Lehiben’ny sampam-pitsarana ara-bola sy ny Fitsarana ny fitantanana ny volam-panjakana.

📌Alatsinainy faha – 25 Marsa 2024.
Eucalyptus Ampefy.
Notanterahana ny andro fikaonan-doha ho an’ny Lehiben’ny Sampam-pitsarana ara – bola manerana an’i Madagasikara sy ny Filohan’ny Fitsarana ny Fitantanana ny Volam-panjakana ary ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana ny Fitantanana ny Volam-panjakana, « Journée des Chef des Juridictions Financières ».

➡️Lohahevitra nanompanana ny fikaonan-doha ny hoe :  » pour un leadership et une gestion du changement au sein des juridictions financières ».

⭕Nanatrika izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ary nanamafy fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ny Andry Telon’ny Fampandrosoana ity fikaonan-doha ity, dia ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana ho amin’ ny Fanjakana tsara tantana sy tan-dalana.

➡️Ny Sampam-pitsarana tsirairay dia samy nampahafantra ny laharam-pahamehana sy ny fomba fanatanterahana azy, nisy ny fifanakalozana traikefa ary avy amin’izany no nanitsiana ny fomba fiasa. Ny asan’ny Mpitsara ara-bola dia mitsara ny fitantanana sy ny fampiasana ny Volam-panjakana eny anivon’ny Vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana, manao fitsirihana mifototra amin’ny fanarahan-dalàna sy fitantanam-bola, misahana ny fanaraha-maso ny tetibola, ary manome tolo-kevitra. Ny Mpitsara ny Fitantanam-bolam-panjakana no mitsara ny fandaniambolam-panjakana izay voarakitra ao amin’ny tetibolam-panjakana, manolokevitra ny fahefana mahefa mikasika ny fanaovana lalàna sy didy aman-dalàna izay mamaritra ny fandaniam-bolam-panjakana.
Ity fikaonan-doha ity dia fanohizana ny fihaonamben’ny Mpitsara ara-bola izay natao tao Toamasina tamin’ny taona 2023. Marihana fa izay vao nisy Minisitry ny Fitsarana nanatrika ny fikaonan-dohan’ny Mpitsara ara-bola, raha ny nambaran’ny Filohan’ny Fitsarana ny Fitantanam-bolam-panjakana.

Posted in Autres Evenements

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eny anivon’ny fonja.

📌Sabotsy faha – 23 Marsa 2024.
Camp Pénal Mahandraza, Andranomanelatra Antsirabe faha II, tany mirefy 1ha no nambolena hazo fihinam-boho miisa 300 fototra.
Paoma 50, poara 50, paiso voloina 60, paiso malama 80, zavoka 50, kaky 10.

➡️Telo taona dia azo hitazana ny vokatra. Ireo dia hanampiana ny sakafo eny anivon’ny fonja ka ady amin’ny vokadratsin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay mety hiteraka fahafatesana ho an’ny Voafonja no tanjona amin’izany.
Nanamafy ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RARIVOJAONA Emile Andrianirina fa Zon’ny Voafonja, amin’ny maha-olombelona azy ny fihinanana sakafo ampy sy ara-pahasalamana, ary ankoatr’izay dia fanomanana ny Voafonja amin’ny fiverenana eny anivon’ny Fiarahamonina no antom-pisian’ny Toby famokaran’ny Voafonja.

⭕Ho tanterahana manerana ny Toby famokaran’ny Voafonja manerana an’i Madagasikara arak’izany ny Fambolena hazo fihinam-boho.
Raha ny « Camp Pénal » Mahandraza, Andranomanelatra Antsirabe faha II, izy no tobim-pamokarana fitaratra ho an’ny Talem-paritry ny fitantanana ny Fonja anatin’ny Faritra Vakinankaratra, izay hahitana velaran-tany mirefy 16ha, ary efa misy voly vary sy katsaka, ankoatr’ireto hazo fihinam-boho, avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ireto.

⭕Miara-miasa ara -tekinika amin’ny Fambolena sy fikojakojana ny hazo fihinam-boho ny La Pépinière d’ Antsirabe. Marihana fa manana omby miisa efatra ny « Camp Pénal » Mahandraza, Andranomanelatra Antsirabe faha II, vavy 1 ary lahy 3.

Posted in Autres Evenements

Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antsirabe.

📌Zoma faha – 22 Marsa 2024.
Antsirabe, natolotra ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ny karatra fanarahan-draharaha  » Carnet de Suivi ». Ny Talen’ny Kabinetra, Andriamatoa RARIVOJAONA Emile Andrianirina izay nisolontena ny Minisitry ny Fitsarana dia nanamafy fa tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politikam-panjakana amin’ny ady amin’ny kolikoky sy fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana ny fampiasana ny karatra fanarahan-draharaha. Tanjona amin’izany ny fanamorana ny fanatonan’ny Vahoaka ny Fitsarana sy ny fanafoanana ny asan’ny Mpijirika.

✅Tsapan’ny Vahoaka ny fiovana fomba fiasa eo anivon’ny Fitsarana, ary nambaran’izy ireo fa tena manampy betsaka amin’ny olan’ny manan-draharaha ny fampiasana ny karatra fanarahan-draharaha.

⭕Taloha mantsy dia sarotra ho an’izy ireo ny manantona ny Fitsarana eto Antsirabe satria olona avy any ambanivohitra no betsaka manan-draharaha, ka sahirana amin’ny fakan-kevitra sy ny fanarahana ny raharahany.
Marihana fa efa nampiasa « Carnet » ihany ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antsirabe, saingy samy mitondra ny azy ny tsirairay ka mbola sarotra na ny famenoana izany aza. Ity karatra fanarahan-draharaha ity kosa dia mora hampiasaina ary manaraka ny fe-petra ara-tekinika mikasika ny zotram-pitsarana.

⭕Mialohan’ny nampiasana ny karatra fanarahan-draharaha dia nazavaina tamin’ny Mpiasan’ny Fitsarana eto Antsirabe ny fomba fampiasana azy sy ny voarakitra ao anatiny. Nitondra ny fanazavana ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana sy ny Talen’ny firaketan-draharaha, notronon’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antsirabe.