Fitsarana Ambony Antsiranana.

📌 Alarobia 14 Febroary 2024, teto Antsiranana, nihaona tamin’ny Mpitsara sy ny Mpirakidraharaha eo anivon’ny Fitsarana Ambony ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

🎯 Nandritra izany no nitondrany fanazavana mikasika ny « andry fahatelo » amin’ny Politikam-panjakana izay mahakasika ny Ministeran’ny Fitsarana, anatin’izany ny fangaraharàna eo amin’ny fitantanana ny asam-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoky. Nohamafisiny fa hapetraka ny « standard de service », vokarina ny « Carnet de suivi » ho an’ny manan-draharaha eo anivon’ny Fitsarana mba ahazoan’ny olona manaraka ny fizotran’ny raharahany. Hohamafisina ny fitsirihana anatiny (contrôle interne). Nanome baiko izy fa tsy maintsy hatao ny fitsirihana tampoka ny fonja mba ahitana ny tena zava-misy.

🖥️ Nandritra ity fihaonana ity no namalian’ny Ministra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ny fangatahan’ny Mpiasa teto anivon’ny Fitsarana Ambony eto Antsiranana, ny hamatsiana ara-pitaovana azy ireo, ka solosaina miisa 10 miaraka amin’ny kojakoja miaraka aminy ary « imprimante » ho azy ireo. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fitantanana ny asam-panjakana rahateo ny famatsiana ara-pitaovana ny Fitsarana, satria isan’ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana ary fidirana amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Izany dia mitarika fahafaham-po ho an’ny olona manan-draharaha. Marihana fa volam-panjakana madiodio tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fitsarana no nividianana ireo fitaovana ireo.
Nitondra ny teny fisaorana tamin’ny anaran’ny Mpiara-miasa rehetra teo anivon’ny Fitsarana Ambony, noho izao fahazoana fitaovana izao, ny Lehiben’ny Mpirakidraharaha.