Toby Fanarenana ao Joffre Ville.

📌 Alarobia faha 14 Febroary 2024, nijery ny fanamboarana tokony ho atao ao amin’ny « Centre de rééducation », Toby Fanarenana eto Joffre Ville ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Nilaza izy fa tsy maintsy ho sokafana ny Toby, mba ahazoana manasaraka ny toerana misy ny Zaza tsy ampy taona, ny Vehivavy ary ny Lehilahy. Natao ihany koa mba ho fanamafisana ny fanabeazana sy famolavolana ireo Zaza niditra am-ponja, ahafahan’izy ireo manova ny fomba fiainany rehefa miverina eny anivon’ny fiarahamonina.
📊 Raha ny eto Antsiranana, 908 no isan’ny Voafonja, 45 amin’ireo ny Vehivavy, 33 ny Zaza tsy ampy taona ka 9 no efa nandalo Fitsarana ary voaheloka, ny 24 kosa dia voatazona vonjimaika.

🎯 Ny fisokafan’ity Toby Fanarenana ity arak’izany dia hanatsara ny fitantanana ny Voafonja, indrindra amin’ny fanajàna ny zon’olombelona. Marihana fa Voafonja miisa 150 no zakan’ity « centre de rééducation » ity.