ATRIKASA FAMPAFANTARANA NY ADIDY SY NY ZON’NY MPIASAM-PANJAKANA ARY NY FOMBA FISITRAHANA IZANY.

📌Nanomboka ny alatsinainy faha 12 febroary 2024, teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy dia nampivory ireo mpiasa eto anivon’ny Minisitera sy ny eo anivon’ny Fitsarana isan’ambaratongany ny avy eo amin’ny Fitaleavana misahana ny maha-olona avy eto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana niaraka tamin’ny solon-tena avy ao amin’ny Minisiteran’ny FOP nitondra fampafahatarana sy fanampim-panazavana momba ny zo sy adidin’ny mpiasam-panjakana eo amin’ny asa, ny andraikitra amin’ny fanatsarana ary fikarohana sy ny fanavaozana ny asa sahanina no tena nampafantarina tamin’izany.

⭕Naharitra 3 andro ny atrikasa teto amin’ny Fitsarana Tampony ka ny andro voalohany dia natokana ho an’ireo Lehiben’ny Mpirakidraharaha sy ireo Mpirakidraharaha eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ary ny andro faharoa dia ho an’ireo Lehiben’ny Mpirakidraharaha sy ireo Mpirakidraharaha eo anivon’ny Fitsarana Tampony sy ny avy eto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ary ny namarana azy kosa anio dia ireo mpiasa tsy raikitra rehetra (sous-contrat).

⭐Ny Filoha voalohany sy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony no nanokatra ny fotoana sy nitondra toromarika vitsy.