Fitsarana Manokana Iadiana amin’ny Kolikoly (PAC)Ambaratonga Voalohany Mahajanga:Lanonam-pitsarana menetriketrika.

📌 Zoma faha 28 Aprily 2023. Tao anatin’ny lanonam-pitsarana manetriketrika no nametrahana an-dRamatoa RANDRIAMAHEFARILALA Rindra Harizo eo amin’ny toeran »ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon’ny Fitsarana Manokana Iadiana amin’ny Kolikoly Ambaratonga Voalohany eto Mahajanga.

📝 Teboka telo no napetrany hitantanana ny Fampanoavana :
▶️ fampiharana ny lalàna ho an’izay meloka ary tsy misy an-kanavaka ;
▶️ fanafainganana ny raharaham-pitsarana ao anatin’ny fahamalinana tanteraka ;
▶️ fanajana ny zon’ny mpitory sy ny toriana.

📌 Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay nanome voninahitra ny lanonana dia nitondra fanazavana ny asa sy ny andraikitry ny PAC izay manana ny mampiavaka azy amin’ny sampam-pitsarana hafa. Nohamafisiny fa tsy ho ela dia hisokatra ihany koa ny Fitsarana Manokana Iadiana amin’ny Kolikoly ao Fianarantsoa.

🔹Marihana fa banga nandritra ny roa taona sy tapany ny toeran’ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon’ny PAC Mahajanga.
Nanatrika ity lanonana ara-pitsarana manetriketrika ity, ireo Manam-boninahitra Sivily sy Miaramila avy eto Mahajanga sy avy amin’ny Faritany hafa.