ASSOCIATION DES FEMMES DE L’ADMINISTRATION PÉNITENTIAIRE.

📌Nanomboka ny Sabotsy 29 Jolay 2023, efatra andro no nanatanterahana ny
Zaikaben’ny A.F.A.P. »Vehivavy mijoro ho Fampandrosoana ny Ankohonana sy ny Firenena » no lohahevitra nentina nanatontosana izany. 500 mahery ireo Vehivavy Mpandraharahan’ny Fonja sy ny Vadin’ny Lehilahy Mpandraharahan’ny Fonja nandray anjara ka filaharambe namakivaky ny tananan’i Mahajanga no nanokafana azy.

➡️ Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana dia nanamafy fa Taratra ny firaisan-kina ao anatin’ny asa, ary mendrika ho tohanana ny hetsika nataon’ny AFAP. Nambarany fa masina ny asan’ny Mpandraharahan’ny Fonja satria sady fanabeazana no antoky ny fandriam-pahalemana.

⭕Nisongadina tamin’ny hetsika ny fampirantiana ny asatanana vitan’ny Voafonja sy ny Vehivavy vadin’ny Mpandraharahan’ny Fonja ary ny Vehivavy Mpandraharahan’ny Fonja. Nitsidika izany ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ary namporisika hatrany ny rehetra mba hampitombo ny ezaka efa vita. Nandritra izany ihany koa no nitsidihana ny Fonjan’ny Vehivavy eto Mahajanga, ary nanoloran’ny Minisitra sy ny AFAP tohana ara-pitaovana sy ara-tsakafo ho azy ireo. Taorian’izay dia nanome vatsin-dalana ho an’ny AFAP ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.