Fihaonan’ny Ministry ny Fitsarana tamin’ny solotena avy amin’ny UNICEF sy ny masoivohon’ny MAROC.

📍 Alakamisy faha-25 janoary 2023, teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra. Nihaona tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ny solotenan’ny UNICEF, Christine JAULMES, niarahaba nohon’ny fanendrena azy hitantana ny Ministeran’ny Fitsarana indray ary nanamafy ny hisian’ny fifandraisana malalaka sy tsy tapaka.

📎 Nifampiresahana ihany koa ny laharam- pahamehana. Nandritra io fihaonana io no nitondran’ny Minisitry ny Fitsarana fankasitrahana ho an’ny UNICEF ary nirariany ny fitohizan’ny fiaraha-miasa.

📍 Taorian’izay dia nihaona tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ihany koa ny Masoivohon’i Maroc Mohammed Benjilany izay nisolotena ny governemantan’izy ireo. Niarahaba nohon’ny mbola nanendrena azy ho Ministry ny Fitsarana indray.

📎 Noresahan’izy ireo ihany koa ny fanamafisana ny fifandraisan’ny firenena roa tonta eo amin’ny sehatry ny lalàna, singa lehibe mitondra mankany amin’ny Fanjakana tsara tantana, izay mifandraika amin’ny andry telo nofaritan’ny Filoham-pirenena, ho fototry ny fampandrosoana an’i Madagasikara.