FONJABEN’ANTANIMORA.
FONJABEN’ANTANIMORA, VOASAMBOTRA ILAY VOAFONJA NIKASA HANDOSITRA
📌Alahady 5 novambra 2023, tamin’ny 1 ora atoandro dia nisy voafonja iray nikasa handositra nisaoty tamboho tao amin’ny Fonjaben’Antanimora. Tsy lasa lavitra anefa dia voasambotry ny Mpandraharahan’ny fonja ary tao anatin’ny folo minitra dia niverina tamin’ny laoniny ny filaminan’ny fonja.
Voafonja efa nandositra teny amin’ny polisy izy io ary resaka halatra tsotra na « vol simple » no nampidirana azy teto amin’ny Fonjamben’Antanimora.
FANAMAFISANA NY FAHAIZANA SY NY FAHAIZA-MANAON’NY MPITSARA MIASA AO AMIN’NY FITSARANA IADIANA AMIN’NY KOLIKOLY.
📌Ny talata 31 oktobra 2023 ka hatramin’ny zoma 03 novambra 2023, tao Antsiranana, no notontosaina ny fampiofanana ireo Mpitsara miasa eo anivon’ny Fitsarana Iadiana amin’ny Kolikoly (PAC) ao Mahajanga, ny ampahan’ireo Mpitsara ao amin’ny Fitsarana Iadiana amin’ny Kolikoly (PAC) eto Antananarivo, ireo Mpitsara ao amin’ny Fitsarana Ambony sy ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antsiranana, ka ny fitantam-bolam-panjakana sy ny tsenam-barom-panjakana no lohahevitra tamin’izany. Ny Sekoly Ambony Mampiofana ny Mpitsara sy ny Mpiraki-draharaha (ENMG) no nikarakara sy nandrindra izany fampiofanana izany.
⭕ Talohan’io fampiofanana io, dia efa nisy fiofanana nokarakaraina mikasika io lohahevitra io ihany, ny talata 22 aogositra hatramin’ny zoma 25 aogositra 2023 tany Toamasina ka nandray anjara tamin’izany ireo Mpitsaran’ny PAC Antananarivo, ny ampahan’ireo Mpitsaran’ny PAC Mahajanga, ny Mpitsara miasa eo anivon’ny Fitsarana Ambony sy ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Toamasina.
➡Ny tanjon’ireo fampiofanana ireo dia ny fanamafisana ny fahaizana sy ny fahaiza-manao an’ireo Mpitsara voalaza ireo mba hahatsikaritra avy hatrany ny fandikan-dalàna sy ny tsy fahatomombanana mikasika ny fitantam-bolam-panjakana sy ny tsenam-barom-panjakana. Novelabelarina nandritra izany ny fitantanana ny teti-bola, ny paik’ady manokana momban’ny haikaotim-panjakana sy ny tahirim-bolam-panjankana, ny fanatanterahana ny fampiraharaham-barotra ifanaovana amin’ny fanjakana, ny fandaniana ny volam-panjakana, ny mpiantsehatra amin’ny tsenam-barom-panjakana, ny sampam-pitsarana mahefa mikasika ny ady amin’ny resaka tsenam-barom-panjakana. Izany indrindra dia natao hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny asam-pitsarana sy ny didy izay havoaka.
✅ Ireo fampiofanana ireo dia tontosa nohon’ny fanohanana ara-bola an’ny Programme des Nations-Unies pour le Développement (PNUD) amin’ny alalan’ny tetikasa « Renforcement des Capacités Institutionnelles pour la Promotion de l’Etat de Droit » (RCIPED).










Fanazavana araka ny lalàna, mahakasika ny famoriam-bahoaka.
📌 Zoma 03 novambra 2023, nitondra fanazavana, araka ny lalàna, mahakasika ny famoriam-bahoaka sy hetsika an-kalamanjana na an-dalam-be tao amin’ny biraony teny Faravohitra, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANENASOA Landy Mbolatiana.
🎥 Manasa antsika ary hanaraka izany manontolo.
FANKALAZANA NY FAHA-60 TAONAN’NY OECFM.
FANKALAZANA NY FAHA-60 TAONAN’NY OECFM, NANOME VONINAHITRA NY FOTOANA NY MINISTRY NY FITSARANA.
📌Alakamisy 02 Novambra 2023, tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny OECFM na “Ordre des Experts Comptables et Financiers de Madagascar” ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana tetsy amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka.
➡Amin’ny maha Minisitera mpiahy ny Olafitra ny « experts comptables et financiers » azy sy amin’ny maha-saropady ny asa izay iandraiketan’izy ireo dia ho hatsangana ny kaomity izay hiandraikitra amin’ny famolavolana ny paik’ady hanenjehana ireo olona na vondron’olona manao izany asan’ny « experts comptables » izany kanefa tsy nahazo alalana no tsy misoratra anaty tabilaon’ny olafitra.









Fanolorana fitaovam-piasana ho an’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Arivonimamo.
📌 Alakamisy 27 oktobra 2023, nanolotra solosaina sy fitaovana informatika ho an’ny sampandraharaha miandraikitra ny fanangonana ny lamandy sy ny rantsana misahana ny fikarakarana ny taratasy fanatanterahana didy tao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Arivonimamo ny PAJMA.
✅ Izao fanolorana izao dia tontosa nohon’ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Agence Française de Développement amin’ny alalan’ny tetikasa PAJMA.


