FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA.

📌Lohahevitra vaovao indray ary no entina ampahafantarina antsika manomboka amin’ity herinandro ity dia ny mikasika ny Taratasy fanamarinana ny fizakana ny zom-pirenena malagasy na « certificat de nationalité malagasy ».

➡ Rehefa mikarakara taratasy isika matetika dia anisan’ny taratasy takiana mandrakariva io « certificat de nationalite malagasy » io ka hojerentsika ary hoe inona no tena ilàna azy io.

🔷INONA ARY NO LALANA MIFEHY IZANY ?
Didy hitsivolana laharana faha 60-064 tamin’ny 22 Jolay 1960 novaina sy nofenoin’ny lalàna laharana faha 61-052 tamin’ny 13 desambra 1961, sy ny lalàna laharana faha 62-005 tamin’ny 6 jona 1962, sy ny didy hitsivolana laharana faha 73-049 tamin’ny 27 Aogositra 1973, sy ny lalàna laharana faha 95-021 tamin’ny 18 septambra 1995 ary ny lalàna laharana faha 2016-038 tamin’ny 25 janoary 2017 mikasika ny fehezan-dalàna momba ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy.

🔷IZA NO ATAO HOE MALAGASY ARAKA NY VOALAZAN’NY LALANA ?
-Ny zaza nateraky ny ray sy/ na reny Malagasy.
-Ny zaza izay teraka teto Madagasikara, tsy fantatra ny ray aman-dreniny kanefa azo heverina fa ny iray amin’izy ireo dia Malagasy mandra-pisian’ny porofo mifanohitra amin’izany.
-Ny zaza hita teto Madagasikara izay heverina fa teraka teto mandra-pisian’ny porofo mifanohitra amin’izany.

🔷INONA KOSA NO ILANA NY “CERTIFICAT DE NATIONALITE MALAGASY” ?
Mba hanamarinana fa mizaka ny zom-pirenena malagasy ny olona iray.
Ohatra raisintsika akaiky indrindra dia ny mikasika ny fanadinana hidirana ho mpiasam-panjakana, satria dia tsy maintsy Malagasy ihany no afaka mifaninana amin’izany fa tsy azo ataon’ny teratany vahiny. Dia ilaina noho izany ny taratasy manamarina ny fizakana ny zom-pirenenana malagasy ho an’ilay mpifaninana.

🔷IZA NO AFAKA MANOME NY “CERTIFICAT DE NATIONALITE MALAGASY” ?
Ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany irery ihany no afaka manome azy.

⭐ Ho hitantsika amin’ny heriny indray ny mikasika ny paik’ady sy ny taratasy ilaina amin’ny fangatahana ny Taratasy fanamarinana ny fizakana ny zom-pirenena malagasy na « certificat de nationalité malagasy ».