FANOHANANA ARA-TEKNIKA SY ARA-PITAOVANA AVY AMIN’NY U.N.O.D.C. MBA HO AN’NY “E-DIGITALISATION” ENY ANIVON’NY FITSARANA ADY HELOKA MALAGASY

Ny Alakamisy faha 08 Aogositra 2022 dia tonga nitsidika amim-pomba fanajana an’Andriamatoa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny Tombo-Kasem-Panjakana, Minisitry ny Fitsarana, tao amin’ny biraony teny Faravohitra, Antananarivo, ny delegasiona avy amin’ny « Office des Nations Unies contre la drogue et le crime » na « UNODC » nahitana an’Andriamatoa Jeneraly HAMA Dimby Noelson, point focaln’ny ONUDC eto Madagasikara sy ireo mpahay avy any amin’ny Biraom-paritry ny « UNODC » ao Afrika Atsinanana izay nahitana an’Andriamatoa isany Martin MBUI sy Collins OWINO.

Raha tsiahivina ny « Fandaharan’asa manerantany entina miady amin’ny heloka bevava an-dranomasina » na « Programme mondial de lutte contre la criminalité maritime » (GMCP) ao amin’ny « ONUDC » dia mikendry ny fanohanana ireo firenena mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana sy ny fampitomboana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny Fitsarana amin’ny ady amin’ny heloka bevava an-dranomasina.

Taorian’i Tanzania, Comores, Maurice ary Kenya dia isan’ireo firenena izay hisitraka ny fandaharan’asa « E-digitalisation » avy amin’ny « ONUDC » ihany koa i Madagasikara mba hanatsarana ny fahombiazan’ny Fitsarana Malagasy izay misahana ny raharaha mifandray amin’ny heloka bevava an-dranomasina.

Andrandraina ho vokatry ny fanatanterahana izao fandaharan’asa izao ny fametrahana amin’ny fomba maharitra « système de gestion électronique des affaires judiciaires » (ECMS) eny anivon’ny Fitsarana Ady Heloka rehetra eto Madagasikara.

Tafiditra ao anatin’ny asa tsy maintsy hatao amin’izany ny famoronana io « système de gestion » io, ny fampiofanana ireo mpampiasa azy, ny fanaraha-maso ny dingana entina mametraka azy ary ny fanavaozana ny fitaovana ampiasaina sy ireo kajy mirindra na « logiciels » efa misy ankehitriny.

Dingana voalohany entina hanatanterahana izany ny iraka fakan-kevitra izay hataon’ireo mpahay avy amin’ny ONUDC roa voalaza anarana etsy ambony ireo manomboka ny 05 hatramin’ny 25 Septambra 2022, ny 10 hatramin’ny 29 Oktobra 2022, ny 14 hatramin’ny 30 Novambra 2022 ary ny 30 Novambra hatramin’ny 19 Desambra 2022.

Teo am-pamaranana ny fihaonana dia nisaotra sy nankasitraka ny Biraom-paritry ny « UNODC » ao Afrika Atsinanana Andriamatoa Mpitahiry ny Tombo-Kasem-Panjakana, Minisitry ny Fitsarana noho izao fanehoany miharihary ny finiavany hanampy ny Fanjakana Malagasy izao amin’ny fametrahana ilay vina « E-justice » ary nanome tso-drano izany fandaharan’asa izany mba hahita fahombiazana.

Nohamafisiny ihany koa ny fahavononan’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy eny anivon’ny Fitsarana manerana ny Nosy handray anjara mavitrika amin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa mba handresena ny heloka bevava an-dranomasina eto Madagasikara, eo amin’ny Faritra Afrika Atsinanana ary eo amin’ny Faritry ny Ranomasimbe Indiana.