Fitantanam-bola 2022 : Vita fiofanana ireo mpikirakira vola eto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana

📌 Tarigetra ny fahaiza-mitantana. Ho an’ny fisokafan’ny Tetibolam-panjakana 2022, dia nanaraka fiofanana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny rehetra amin’ny fitantanam-bola eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana. Atrikasa notontosaina androany Alatsinainy 07 Febroary 2022, teny amin’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha (ENMG) Tsaralalàna. Nampiofana sy nizara traikefa, ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Ministeran’ny Toe-karena sy ny Tetibola. Teboka maromaro no nifantohan’ny fiofanana. Ohatra ny pitsopitsony tsy maintsy hajaina, toy ny famoaham-bola anatiny, ny fiovan’ireo tompon’andraikitra voatendry, ny fandaniana mihoatra ny 20 tapitrisa Ariary, sns.

Zava-dehibe loatra ho an’ny firenena ny fananan’ireo mpikirakira volam-panjakana fahaizana sy traikefa amin’ny fanatontosany ny asany. Nanamafy izany tanaty lahateny fanokafana, ny Tale Jeneralin’ny Fandaharan’asa sy ny Fampitaovana (DGPR), Atoa RAVELOSON Aimé Gilbert.