Takaitra navelan’ny rivodoza Batsirai : Efa amboarina ireo fonja simba

📌Misy ireo fotodrafitrasa simba, ao amin’ny Faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai. Ohatra ny fonja ao Ikongo sy Farafangana ary Vangaindrano, ary koa ny lapan’ny Fitsarana sy ny fonja ao Mananjary. Ho an’Ikongo manokana, dia voatery nafindra vonjimaika ao amin’ny « Lycée » ireo voafonja. Tsy afaka ny ajanona ao maharitra nefa izy ireo, koa tsy maintsy ho afindra ao amin’ny Ivotoerana ho an’ny Kolotsaina mandram-pahavitan’ny asa fanamboarana sy fanarenana ny fonja. Manome tanana ireo Mpandraharahan’ny Fonja amin’ny fiambenana ny avy amin’ny Polisim-pirenena sy ny Zandarimariam-pirenena.

✔️ Ho an’ny fonja ao Farafangana sy Vangaindrano dia efa vita ny asa fanamboarana ireo tafo nentin’ny rivotra. Ho an’ny Lapan’ny Fitsarana ao Mananjary, dia voaaro tsara ireo antontan-taratasy na dia nisy ny fahavakisan’ireo fitaratra sy fahasimbana. Hatomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana. Ho an’ny fonja, dia nafindra ao amin’ny toeram-pivavahana ny voafonja miisa 59.

💡 Mitondra fanazavana tahaka izao, ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety androany 07 Febroary 2022 teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra.