Fanatsarana ny tontolon’ny Fandraharahana ny Fonja

VONONA IREO DRAP VAOVAO ANY ATSIMO

Manao rano lava ny fametrahana, sy famindram-pahefana eo anivon’ireo Tale vaovaon’ny Fandraharahana ny Fonja (DRAP). Porofo mitohoka amin’ny tendany, ao anatin’ny fanatsarana ny tontolon’ny Fitsarana, araka ny Velirano nataon’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Atoa Andry Rajoelina, sy ny tarigetran’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo, izao. Tanjona ny famerenana ny hasin’ny Fitsarana sy ny fahatokisan’ny vahoaka.
Araka izany, dia vita soa aman-tsara nandritra izay fotoana fohy izay, ny famindram-pahefana teo amin’ny :
Tale teo aloha, sy ny mpisolo toerana ao amin’ny DRAP Androy
Avy eo dia nandalo tao Ambovombe sy Amboasary ihany koa. Ary nanatrika ny famindram-pahefana teo amin’ny
Tale teo aloha sy ny DRAP vaovao, ao Ihorombe
Natrehin’ireo olo-manan-kaja maro sy solontenam-panjakana ny lanonam-panjakana. Raha tsy hitanisa afa-tsy ny Governora, ny « Préfet », sy ny Lehiben’ny Faritra, ireo Loholona sy ireo Solombavam-bahoaka, ny Lehiben’ny Fitsarana isan’ambaratongany, ireo solontena Sivily sy Miaramila, ireo vahoaka, ary mazava ho azy ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja (DGAP), niahy sy nitarika ny lanonana.
Izao dia tafiditra ao anatin’ny ezaka fitondrana endrika vaovao, sy fanovàna ny fomba fiasa araka ny vinan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo. Tsy hitsahatra, ary mbola hitohy ny fanohizana ny ezaka.