Fanolorana Fitaovana ho an’ny voafonja vehivavy.

📌Talata 20 Febroary 2024, notoloran’i Mpitahiry Fitombokaseam-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fitaovana ho entina mianatra asan-tanana ireo voafonja vehivavy teto amin’ny Fonjamben’Antanimora mba hizaran’izy ireo asa ho fanomana azy ireo hiverina eny anivon’ny fiaraha-monina.

Fitaovana fanaovana volo (brushings,brosses,produits…), Lafaoro ary misinina fanjairana no notolorana azy ireo.

⭕Ao anatin’ny vaindohan-draharahan’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny fanomanana ny fiverenan’ny voafonja ho tonga olom-banona eo anivony fiaraha-monina. Nandritra ny lahateniny, ny Minisitry dia nanamafy fa tsy fanafaizana fotsiny ihany ny fonja fa natao indrindra ihany koa hampianatra sy hanarina an’ireo voafonja mba tsy ho vesatra eo anivon’ny fiaraha-monina (réinsertion sociale).

➡️Rehefa tapitra moa ny fiofanana dia hahazo mari-pahaizana na « Attestation de réussite » izay rehetra mahavita ny fiofanana.
Izao fanofanana izao dia ho tanterahana any amin’ny fonja hafa raha ny nambaran’ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

🎤Mitondra fanamarihana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panajakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolaatiana.