Fampiofanana mitohy ho an’ireo infirmiera.

📌Alarobia 14 jona 2023. Tontosa teto Mahajanga ny fiofanana andiany fahatelo tamin’ilay “Fampiofanana mitohy” (na formation continue) nomena ireo Infirmiera Mpandraharahan’ny Fonja taty amin’ny ilany Andrefana sy Avaratry ny nosy.

➡️Toy ny tany Toamasina sy Toliara ihany dia naharitra 8 andro ny fiofanana ka 23 mianadahy ireo izay nisitraka ny fampiofanana tamin’izany, izay avy any amin’ny faritra BETSIBOKA, BOENY, SOFIA, DIANA, SAVA ary MELAKY.

📍Tsara ho marihina fa efa nisy fiofanana roa natao talohan’izao ka ny andiany voalohany dia natao tany Toamasina nahitàna mpiofana 45, ny faharoa dia tany Toliara nahitàna mpiofana 23 ary ny fahatelo dia izao eto Mahajanga izao. Arak’izany dia nahatratra 91 ireo Infirmiera mpandraharahan’ny fonja nisitraka ny fiofanana manerana ny nosy ary samy notolorana Mari-pahaizana tsirairay avy izy ireo.

☑️ Izany rehetra izany no tontosa dia noho ny tetik’asa MIKOLO AINA tarihin’ny “Douleurs Sans Frontières”, iray amin’ireo tetik’asa 3 arindra eo anivon’ny Fandaharan’asa FANARENANA eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana izay nahazahoana famatsiam-bola avy tamin’ny Agence Française de Développement. Tsara ho fantatra ihany koa fa ny fampiofanana rehetra natao dia nivondronan’ireo mpampiofana matianina avy ao amin’ny DIFP/Ministeran’ny Fahasalamabahoaka, ny Vokovokomena Malagasy ary koa ny lehiben’ny sampandraharahan’ny fahasalaman’ny voafonja (SSPD) ao amin’ny DHDPRS/MinJus.

➡️Izany rehetra izany no natao dia mba ho fanatanterahana ny velirano faha 5-n’ny Filoham-pirenena « Fahasalamana ho an’ny rehetra, sy ho amin’ny taona rehetra ».

🔴Izao ihany koa dia ho fanatrarana ny tanjon’ny Ministeran’ny Fitsarana : « actions 174 et 175 » izay mikendry ny fanatsarana hatrany ny tontolon’ny Fandraharahana ny Fonja, amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana mitohy manaraka ny fiovan’ny teknika fandraisana marary sy ny filan’ny tolotra ara-pahasalamana, ho an’ireo voafonja.