Fonjaben’Antanimora:Nampitahaina ny isan’ny voafonja sy ny lisitra avy amin’ny Fitsarana.

📌 Alarobia 14 Jona 2023. Dingana tsy maintsy hatao, mialohan’ny fampiharana ny paikady fanafainganana ny raharaham-pitsarana ny fampitahana ny isan’ny voafonja amin’ny lisitra avy any amin’ny Fitsarana. Nanatanteraka izany tao amin’ny Fonjaben’ Antanimora ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, niaraka tamin’ireo Mpitsara avy amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, notarihan’ny Tonia Mpampanoa Lalàna, ireo Mpitsara avy amin’ny Fitsarana Ambony, Fitsarana Fandravana ary ny PAC.

⭕ Ny isa nomen’ny teo anivon’ny Fandraharahana ny Fonja sy ny isan’ny voafonja hita maso no namarinina tamin’ny lisitra nivoaka avy any amin’ny Fitsarana, mba hahazoana isa marina, araka ny sokajiny avy dia ireo voafonja efa voatsara, ireo nampiakatra amin’ny Fitsarana Ambony, ireo nampiakatra amin’ny Fitsarana Fandravana didy, ary ireo Voafonja mbola tsy voatsara mihintsy.

➡ Tanjona ny hampakarana ny tahan’ny voafonja voatsara ary fampidinana ny tahan’ny voafonja mbola tsy voatsara, araka ny fenitra iraisam-pirenena.

🔹 Izany dia fampiharana ny Politikam-panjakana amin’ny ady hatao amin’ny kolikoly sy ny Fitsarana tsy mitanila ary ny Fitsarana manakaiky vahoaka.

🎤 Indro ny teny fohy nifanaovana tamin’ny Minitry ny Fitsarana.