Posted in Actualités

Vaovao avy amin ny Fandraharahana ny Fonja

Mitohy hatrany ny ady amin’ ny Covid-19 eo anivon’ny tontolon’ny fonja sy ho fanajana ny zon’olombelona.Tonga nanefa ny ady amin’ ny Covid-19 teto amin’ny fonjaben’ Antanimora ny solombavambahoakan’ I Madagasikara Ramatoa Lanto Rakotomanga voafidy teto Antananarivo II notronin’ ireo mpiara miasa aminy sy Andriamatoa Délégué Arrondissement II. Tambavy CVO 345 fonosana, ranom-panafody 40l désinfectant, aro-tava 500 isa, vary 100kg no nentin’ ireto mahalala tanana ireto.

Nisaotra noho izao fihetsika feno fitiavana izao Andriamatoa Directeur Générale de l’Administration Pénitentiaire (DGAP), Ramatoa Directeur Régionale de l’Administration Pénitentiaire (DRAP) Analamanga, ny Chef d’Etablissement Pénitentiaire (CEP) mpisolotoerana miaraka amin’ ireo mpandraharaha ny fonja. Nanome toky Ramatoa Solombavambahoaka fa hanohy ny ady amin’ ny Covid-19 miaraka amin’ ny Ministera.

Teto amin’ ny fonjaben’ I Fianarantsoa koa dia nisy ny tosika ara-tsakafo nataon’ ny Fikambanana katolika Caritas. Tonga nanome vary sy laoka ireo voafonja rehetra lahy sy vavy ary ireo ankizy tsy ampy taona ireo masera avy amin’ny Fikambanana Caritas notronin’ ireo mpilatsaka an-tsitrapo.
Savony sy fotsimbary ihany koa no natolotr’ ireo mahalala Tanana eto Fianarantsoa hoan’ ireo voafonja.
Ankoatr’ izay dia saika nahazo ireo fanafody isan-karazany iadiana amin’ ny Covid-19 ireo Fandraharahana ny Fonja manerana ny nosy avy amin’ny Ministera, tsy adino koa ny anjaran’ ny Fandraharahana ny Fitsarana ankapobeny.

Tsy mijanona ny ezaka rehetra amin’ny ady amin’ ny Covid-19 eto anivon’ ny Ministera iray manontolo mba hahafahana manefa ny adidy eto anivon’ny firenena.
Mbola maneho fisaorana hoan’ ireo mpanohana rehetra tsy ankanavaka ny Ministera tarihin’ Andriamatoa Ministra sy ny ekipa rehetra.