Posted in Annonces et Informations

Fisokafan’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy: Naato noho ny fiabon’ny isan’ny voan’ny Covid-19

Ny aina no ambony ary ny fahasalamana no voalohan-karena. Noho ny fiakaran’ny isan’ny voan’ny valanaretina Covid-19 eto Antananarivo tao anatin’izay 48 ora izay, dia tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra ny eo anivon’ny Lapan’ny fitsarana Anosy. Hahemotra amin’ny fotoana tsy voafetra indray ny fiverenana amin’ny laoniny amin’ny fotoam-pitsarana izay nokasaina hosokafana ny alatsinainy 06 Jolay izao. Izany dia ho fiarovana ny ain’ireo izay manan-draharaha rehetra sy ireo mpiasa eo anivon’ny Lapan’ny fitsarana Anosy.

Nivoitra ireo androany tamin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny tranom-bokin’ny TPI Anosy nataon’ny lehiben’ny mpiraki-draharaha eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany (Greffier en chef du Tribunal de première instance – GEC TPI) Me Herinatrehana Inham Ella, sy ny lehiben’ny mpiraki-draharaha ao amin’ny Fitsarana ambony (Greffier en chef cour d’appel – GEC CA), Me Raoliasindrahona Aimée.

Misy ihany ny sampana mivoha sy ireo raharaha mandeha

“Mipetraka kosa ny lamina izay efa nisy hatramin’izay. Mitohy ny fanomezana ordonnance sur requête na didim-pitsarana ara-pangatahana ho an’ireo olona izay tsy afaka maka vola fisotroan-dronono. Misokatra ihany koa ny section casier judiciaire na ny sampana miahy ny taratasy misy ny fitanisan-tsazy. Mivoha foana ny eo anivon’ny registre de commerce et de société na rejistram-barotra sy ny orinasa. Torak’izay koa ny sampana misahana ny fangatahana cession sur salaire na fanapahana karama noho ny findramam-bola natao” hoy ny fanazavana nomen’ny Me Herinatrehana Inham Ella.

Tsiahivina moa fa mitohy ihany foana koa ireo ady maika sy ny fangatahana fahafahana vonjimaika na « liberté provisoire ».

Ho an’ny eo anivon’ny Fitsarana ambony koa dia mitohy foana ny lamina efa nisy hatramin’ny fiatombohan’ny fihibohana sy ny hamehana ara-pahasalamana.

“ Ny section casier judiciaire na ny sampana mizara ny taratasy misy ny fitanisan-tsazy dia mivoha foana. Misokatra ihany koa ny ratsam-piampangana ambony na chambre d’accusation. Torak’izay koa ny fangatahana LP na fahafahana vonjimaika, ary ny ady maika eo anivon’ny filoha voalohan’ny Fitsarana ambony na référé PPCA” araka ny nambaran’ny Me Raoliasindrahona Aimée.

Marihina fa miankina amin’ny fivoarana misy eo amin’ny fipariahan’ity valanaretina ity sy miankina amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ireo lehibe isan’ambaratonga moa ny ho fiverenana amin’ny laoniny tanteraka eo amin’ny fotoam-pitsarana sy ny raharaham-pitsarana etsy amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy.