Posted in Actualités

Fonjan’i Toamasina.

Zoma, faha 08 Martsa 2024, tao amin’ny Fonjan’i Toamasina, nijery ny vokatry ny fanofanana nomena ny Voafonja ny Mpitahiry ny Fitombokasem- panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Nandritra izany no nahafantarana fa, efa betsaka ireo mpanjifa ny asa tanan’ny Voafonja ary tsy ny Malagasy ihany fa hatramin’ny teratany vahiny.

Misy ireo mividy ny asa tanana efa vita, misy ihany kosa ireo mampanao manaraka ny endrika ilainy.
Ny vola azo amin’izany dia ho entina manatsara ny fitaovana sy ireo akora hampiasaina, ary misy am- pahany homena izay Voafonja nanao ny asa tanana mba hanomanan’izy ireo ny ho aviny.

Ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nilaza fa tsy maintsy hampitomboina hatrany ny traikefan’ireo Voafonja mandalo fiofanana. Nanome fitaovana hanatanterahana izany izy ary nisaotra ny Mpampiofana sy ny Mpanohana ara-bola sy ara-tekinika nohon’ny fandraisan’ andrakitra miaraka amin’ny Ministeran’ny Fitsarana mikasika ny asa fanarenana ara-tsaina, ara-tsosialy ary ara-pihariana ho an’ ireo rehetra manala sazy eto amin’ny Fonjan’i Toamasina.

Posted in Actualités

Vehivavy vaofonja ao Toamasina.

Zoma, faha 08 Martsa 2024, tao amin’ny Fonjan’i Toamasina, tonga nanamarika ny andron’ny Vehivavy, niaraka tamin’ny Voafonja, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

⚙️ Nandritra izany no namelabelarany ny politikam- panjakana mikasika ny fanomezan-danja ny maha- olona. Ao anatin’ny fanatanterahana izany ny fanatevenana ny fanofanana ny Voafonja, izay sady fanomanana ny famerenana azy ireo eny anivon’ny fiarahamonina no fanamafisana ny ady amin’ny fahantrana.

Ho tan-tsoroka amin’izany dia nanolotra fitaovana ho an’ny Fonja tao Toamasina ny Ministry ny Fitsarana. Izany dia nahitana milina fanjairana, miaraka amin’ny kofehy, hety, valonan-damba, Lafaoro, lafarinina, siramamy, koveta, fitaovana fanaovam-bolo. Ankoatr’izay dia nisy ny fizaràna sakafo nohon’ny fankalazana ny andron’ny Vehivavy.

Nilaza ny solotenan’ny Voafonja nandray fitenenana fa velom-panantenana izy ireo satria izay vao nisy Ministra nanamarika ny andron’ny Vehivavy niaraka tamin’ny Voafonja, ary nitondra fananarana sy fankaherezana ho azy ireo.

Tetsy ankilan’izay, ny Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nisaotra ny Mpiara-miasa sy ny Mpiara-miombon’ antoka, na ny Fikambanana isan-tsokajiny eto Madagasikara sy any ivelany izany, na ny Mpitondra Fivavahana, nohon’ny tan-tsoroka entin’izy ireo amin’ny Fanarenana ara-tsosialy ho an’ny Voafonja.

Raha ny eto Toamasina dia miisa dimy ny Lefitry ny Lehiben’ny Fonja ka Vehivavy ny telo amin’izany.
Miisa 60 kosa ny Vehivavy Voafonja ka iray amin’izy ireo no tsy ampy taona.

Posted in Actualités

Fehezan-dalàna famaizana mikasika ny fanolanana.

Alakamisy faha -07 Febroary 2024, teto Toamasina, nilaza ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa izay rehetra voaheloka amin’ny fanolanana dia iharan’ny sazy avokoa.

Efa vonona ny hampihatra ny famosirana ny Mpitsara, efa betsaka mantsy ireo zaza tsy manan-tsiny lasibatra nohon’ny fanolanana, ao ireo mitondra takaitra mandra-pahafaty, ao ireo niteraka zaza tsy niriana, misy ihany koa no maty mihintsy, toy ilay tranga nisy tao Toamasina.

Marihina fa ny 26 Febroary lasa teo no efa nahazo ny fankatoavana avy amin’ny Filoham-pirenena ny Fehezan-dalàna famaizana mikasika ny fanolanana ary mihatra avy hatrany.

Posted in Actualités

Fikambanamben’ny Mpirakiteny mpanoto soratra eto amin’ny ranomasimbe indianina.

📌Talata 06 Martsa 2024, tao aorian’ny fivorian’ireo Mpirakiteny Mpanoto soratra (Notaire) eto amin’ny ranomasimbe Indianina izay natao tetsy amin’ny Radisson Blu Ankorondrano omaly dia tonga teto amin’ny biraon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto Faravohitra ireo solontenan’ireo Mpirakiteny Mpanoto soratra avy any ivelany izay notarihan’ny Filohan’ny Mpirakiteny Mpanoto soratra eto Madagasikara, Andriamatoa ANDRIAMANALINA Andrianjaka.

⭕Ny nampihavaka ity fivoriana ity dia ny fandraisana anjaran’ny « Conseil Supérieur des Notaires International ».

Posted in Actualités

ATRIKASA.

📌Talata 05 martsa 2024, nosokafan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ny atrikasa irahan’ireo Mpirakiteny Mpanoto Soratra (Notaire) eto amin’ny ranomasim-be Indianina izay natao tao amin’ny Hotel Radisson Blu Ambodivona.

➡️Miantoka ny fangaharahana ary anisan’ny miandrakitra ny fiarovana ara-mpitsarana ireo Mpirakiteny mpanoto soratra hoy ny Minisitry ny Fitsarana.

⭕Aharitra roa andro ny atrikasa ka fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ny asa maha-Mpirakiteny Mpanoto soratra no tena votoatin’ny fihaonana. Lohahevitra samihafa no hifandinihana toy ny fandrindrana ankapobeny ny asa, ny deontolojia, ny resaka manodidina momban’ny lalàna ny fananana, ny fandovana.

Marihana fa andiany faha 5 ity atrikasan’ny Mpirakiteny mpanoto soratra eto amin’ny Ranomasim-be Indiana ity.