Fihaonana niarahana amin’ireo ireo solontenan’ny Fianakaviamben’ireo Vadintany sy Mpanao Lavanty eto Madagasikara

⚖️ Fihaonana teto Faravohitra:
Mitsahatra ny fitokonan’ireo Vadintany sy Mpanao Lavanty
📌 Ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Hiverina hiasa manomboka rahampitso Talata 22 Febroary ireo Vadintany sy Mpanao Lavanty manerana ny Nosy. Mitsahatra araka izany ny fitokonana nataon’izy ireo. Hisy zaikabe nasionaly hatao ny 17 Martsa 2022 eto Antananarivo, hiarahan’ireo mpisehatra rehetra sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny, handinihana ny fanatsarana ny asa.

➡️ Nivoitra ireo androany 21 Febroary 2022, teto Faravohitra. Nisy ny fihaonana teo amin’ireo tompon’andraikitra notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga Gabrielle, sy ireo solontenan’ny Fianakaviamben’ireo Vadintany sy Mpanao Lavanty eto Madagasikara (Chambre Nationale des Huissiers de Justice et des Commissaires Priseurs de Madagascar – CNHJCP), notarihin’ny Filohany, Me RAKOTONIRINA Herilalaina Alain.

⭐ Tsiahivina fa ny Ministeran’ny Fitsarana no mpiahy ny CNHJCP, araka ny lalàna. Ny dinika androany dia niainga tamin’ny fitokonana nataon’izy ireo nanomboka ny 10 Febroary lasa teo.