Fitsirihana ny Fitsarana: Nandray ny toerany ny Tale vaovao

✅ Tontosa tamim-pirahalahiana androany 01 Febroary 2022 teto amin’ny Tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra, ny famindram-pitantanana eo amin’ny Tale misahana ny Fitsirihana ny Fitsarana (Directeur de l’Inspection des Juridictions) na DIJ teo aloha izay andeha hisotro ronono, Atoa RAKOTONIRINA Martin, sy ny DIJ vaovao, Atoa RABETAFIKA Harison Tsilavina. Nanome voninahitra ny lanonana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, notarihin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza.

➡️Nandritra ny lahateny nataony, dia nanentana ny DIJ vaovao, sy ireo mpiara-miasa tsy an-kanavaka, Atoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, ny hananan’izy ireo fahasahiana mijoro sy mahitsy anaty fanatontosana ny asa.

⭐️« Tsy mora ny asam-pitsarana. Sahia mijoro amin’ny fanatontosana ny asa ho an’ny Tanindrazana sy ny fanasoavana ny vahoaka Malagasy. Mila manana ny fahasahiana sy mahitsy lalandava…» hoy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza.

📌Tsiahivina fa ny DIJ moa dia eo ambany fifehezan’ny Birao misahana ny fandrindrana sy ny fanaraha-maso ny Fitsarana sy ireo Fonja (Bureau de Coordination et de Contrôle des Juridictions et des Etablissements Pénitentiaires na BCCJEP).