Ministeran’ny Fitsarana sy SMM: Hifanampy hanasoa ny asam-pitsarana

➡️ Mitovy ny tadin-dokanga, iray ny feo. Tokana ny tanjona dia ny hanasoa ny asam-pitsarana sy hitsinjo ireo Mpitsara ary hanatsara hatrany ny fifandraisana. Nivoitra ireo androany Alakamisy 03 Febroary 2022, nandritra ny fihaonana teo amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjaka­na, Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza, sy ny delegasiona avy amin’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM), notarihin’ny Filoha vaovao, Atoa ANDRIANTSIHORISOA Mbitanarivo.

📌 Vonona ny Ministeran’ny Fitsarana ny hifanome tanana, ary tsy manakatom-baravarana­ ihany koa ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjaka­na, Minisitry ny Fitsarana, hiara-misalahy amin’ny SMM.

🗒 Tsiahivina fa 3 taona no fe-potoana hitarihan’ny Filoha vaovao ny SMM. Ny Alakamisy 11 Novambra 2021 no tontosa ny fifidianana, teny amin’ny Fitsarana Tampony Anosy, sy ireo Fitsarana manerana an’i Madagasikara, ary 3 no kandida nirotsaka.