Fampitam-baovao

Raharaham-pitsarana:
Hanomboka ny alatsinainy izao ny lamina vaovao etsy amin’ny Tribonaly Anosy

Tao aorian’izay 3 volana fihibohana noho ny valan’aretina Covid-19 izay, dia mihatra manomboka ny alatsinainy 6 Jolay 2020 ho avy izao ny lamina hamerenana amin’ny laoniny ny fotoam-pitsarana etsy amin’ny Lapam-pitsarana Anosy. Izany dia ho fitsinjovana indrindra ny vahoaka manan-draharaha sy antotan-taratasy voatery nahemotra noho ny hamehana ara-pahasalamana. Tsy maintsy hajain’ny daholobe kosa ny lamina apetraka ho fisorohana ny fipariahan’ny « Coronavirus ».

Nivoitra ireo androany nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety natao tao amin’ny tranom-bokin’ny TPI-Tribonaly Anosy, niarahana tamin’ny Lehiben’ny mpiraki-draharaha eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany (Greffier en chef du Tribunal de première instance) Rtoa Herinatrehana Inham Ella, sy ny Lehiben’ny mpiraki-draharaha ao amin’ny Fitsarana ambony (Greffier en chef cour d’appel), Rtoa Raoliasindrahona Aimée.

« Na ny fotoam-pitsarana amin’ny ady madio, na ny fotoam-pitsarana ara-barotra, na ny fotoam-pitsarana momba ny asa, dia hisokatra avokoa manomboka ny alatsinainy izao » araka ny nambaran’i Rtoa Herinatrehana Inham Ella.

3 andro mialoha

Ho hita 3 andro mialoha anaty peta-drindrina eo an-tokontanin’ny Lapam-pitsarana Anosy ny fampahafantarana ny fotoam-pitsarana ho an’izay manan-draharaha rehetra. Izany hoe ireo raharaha rehetra mandeha anaty fotoam-pitsarana anankiray. “Hisy afisy mirakitra ireo laharan’ny antotan-taratasy tsirairay mandeha sy ireo anaran’ny olona rehetra tafiditra ao anatiny ho avoaka 3 andro mialoha. Olona 50 ihany no afaka manatrika ny fotoam-pitsarana ny raharaha iray eto anivon’ny TPI, araka ny hamehana ara-pahasalamana navoakan’ny Fitondram-panjakana” hoy ihany ny Lehiben’ny mpiraki-draharaha eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany.

Araka ny fantatra, dia misy ny fiaraha-mientan’ny ny ministeran’ny Fitsarana sy ny Holafitry ny mpisolovava amin’izao lamina vaovao izao.

Fanaraha-maso hentitra sy fisorohana ny loza

Tsy hisy fanavahana. Izay no azo amehezana ny lamina manomboka io alatsinainy io. Iaraha-mahalala ny ady atao amin’ny fipariahan’ny valan’aretina Covid-19. Noho izany, dia tsy maintsy maka sy mitondra “badge” avokoa ny tsirairay izay hiditra ao amin’ny Lapam-pitsarana Anosy.

Ho an”izay hamonjy fotoam-pitsarana, dia tsy maintsy miambozona ny “badge spécial audience”. Izay tsy manana “badge” dia ho avoaka ny faritra avy hatrany.

Ny sampana FIGN eo anivon’ny zandarimariam-pirenena no hisahana ny filaminana sy fisavana ny ety ivelany, ary ny avy ao amin’ny fandraharana ny fonja (administration pénitentiaire) kosa no tompon’andraikitra ao anatiny.

Tsy hisy fandeferana ho an’izay manao an-tsirambina ny fandaminana. Tsy maintsy:

-Hajaina ny fanaovana arovava sy ny elanelana 1 metatra isan’olona
-Ekena ny fandraisana mari-pana (tsy mahazo miditra izay mihoatra ny 38°)
-Manasa tanana amin’ny rano sy savony mialoha izay rehetra hiditra ny varavarana
-Mampiseho, ary mampiasa izany mialoha ny fidirana izay manana “gel désinfectant”

Izany no hatao dia ho fiarovana ny vahoaka manan-draharaha sy ny mpiasa rehetra eo anivon’ny Lapam-pitsarana Anosy amin’ny fipariahan’ny valan’aretina Covid-19. Ireo olona manana aretina mitaiza, na mahatsiaro ho marefo ara-pahasalamana dia tsy tokony ho avy amin’ny fotoam-pitsarana, fa manendry solontena.

Fitsarana ambony

Tsiahivina fa mivondrona ao anatin’ny Fitsarana ambony Antananarivo ny Fitsarana ambaratonga voalohany rehetra misy eto Analamanga, Ambatolampy, Antsirabe, Arivonimamo, Tsiroanomandidy, Miarinarivo, Ankazobe.

Hanomboka io Alatsinainy 06 Jolay 2020 io ny fotoam-pitsarana ny raharaha ady madio, ny ady varotra, ny ady baorina/tany, ary ny ady arak’asa. Ferana ho 15 isaky ny fotoam-pitsarana ny antotan-taratasy mandeha ankoatra ireo efa niandry ela. Ny ady heloka tsotra mahasaringotra voafonja irery ihany aloha no tsy hatao. “Tsy hamoaka voafonja mihitsy aloha ny fitsarana noho ny hamehana ara-pahasalamana” araka ny nambaran’ny Lehiben’ny mpiraki-draharaha eo anivon’ny Fitsarana ambony, Rtoa Raoliasindrahona Aimée.

Ny ady heloka bevava dia mbola miandry fandaminana ny fotoam-pitsarana, ho fanajana ny tsy mbola fisokafan’ny lalana. Ireo ady maika no nandeha tsy nitsahatra na teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany na ny teo amin’ny Fitsarana ambony.

Raharaha 200 hatramin’ny 300 isaky ny Mpitsara

Noho ny fihibohana, dia nivangongo tokoa ny raharaham-pitsarana. Raha ny antontan’isa ankapobeny no jerena, dia fantatra fa ny Mpitsara iray dia tokony hiandraikitra hatramin’ny 300 raharaha ankehitriny. Ho fitsinjovana ny daholobe, dia nandray ny fanapahan-kevitra ny ministera mpiahy mba hanokafana sy hamerenana amin’ny laoniny ny raharaham-pitsarana.

Ho an’ny ady heloka tsy misy voafonja ohatra, dia isaky ny Alatsinainy, Talata, Alarobia ary Zoma ny fotoam-pitsarana. Ho an’ny ady heloka tsotra kosa dia ho sokafana tsikelikely izany. Ho an’ny ady madio, dia miverina isaky ny iray volana.

Ary ho an’ny ady ara-barotra dia isaky ny 15 andro no hatao. Manatona ny varavarana faha-202 izay manan-draharaha manontany ny tompon’andraikitra, ary hita 3 andro mialoha eo amin’ny peta-drindrina eo an-tokontanin’ny Lapam-pitsarana ny laharana antotan-taratasy ho tsaraina sy ireo anaran’ny oloa voakasika ao.