Faha-60 taonan’ny fahaleovantena : nandray anjara mavitrika tamin’ny matso ny fandraharana ny fonja

Toy ny isan-taona, dia tsy diso anjara tamin’ny matso natao tetsy amin’ny araben’ny Fahaleovantena ho fankalazana ny fetim-pirenena ny avy ao amin’ny fandraharana ny fonja (administration pénitentiaire). Nitarika izany na « commandant de formation », ny « inspecteur d’administration pénitentiaire (IAP) 1ère classe 5ème échelon » Andriamamonjiarijaona Laza Nestor Samuelson. Narahin’ny mpitondra ny fanevan’ny fandraharana ny fonja misy ny tarigetra « Adidy sy Fanaovantsoa ».

Nanaraka azy ny avy ao amin’ny sakelika voalohany (1ère section) ao amin’ny fandraharana ny fonja izay notarihin’ny IAP 2ème classe 5ème échelon, Rasoamanamarivelo Ranto Diary. Nanjohy azy ireo ny avy ao amin’ny sakelika faharoa (2ème section) ary ny GVIR na ny hery vonjy taitra ao amin’ny fandraharana ny fonja notarihin’ny « Educateur spécialisé d’administration pénitentiaire 2ème classe 5ème échelon » Ramaromandranto Mamy.

Andraikitry ny GVIR moa ny manampy amin’ny fiambenana ny fonja raha misy fihetsiketsehana ahiana hanohintohina ny filaminan’ny fonja, ny mitondra (transfert) ireo voafonja tena atahorana, ohatra mankeny amin’ny tribonaly na afindra toeram-pamonjana, ary ny mikaroka sy misambotra ireo voafonja izay nandositra.