ATRIK’ASA MOMBAN’NY FANANAN-TANY.

📌Nisy ny atrik’asa momba ny fanarenana ny bokin-tany sy sarin-tany tonta, nataon’ireo mpitsara misahana izany, ny alatsinainy 15 aprily tao amin’ny trano famakiam-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana teny Faravohitra.

➡️Nodinihina manokana tamin’zany ny lalàna laharana 2021-018 du 27 jolay 2021 mikasika ny fanarenana ireo bokin-tany sy sarin-tany tonta, ary ny lalàna laharana 2023-884 fampiharana io lalàna ambony io ihany.
Natao izao dinika izao Satria tsy mitsahamitombo ny isan’ireo boky sy sarin-tany tonta tsy azo ampiasaina intsony ka miteraka olana amin’ny lafiny fananan-tany. Etsy an-daniny izany anefa mbola tsy mihatra araka ny tokony ho izy ihany koa ireo lalàna ireo eny anivon’ny fitsarana ny fananan-tany.

⭕Notsindriana koa fa ho raisin’ny fanjakana an-tananana ny fanarenana ireo boky tonta ireo, noho Izany Dia ho maimaim-poana ny fanatanterahana Izany.Araka izany dia natsangana ny vaomiera hiandraikitra ny tetik’asa ka hifandrimbonan’ny Ministeran’ny Fitsarana, Ministeran’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny Tany ary ny Ministeran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola.