Fitsidihana ara-pomba ofisialy.

📌Alatsinainy 15 aaprily 2024, Ao anatin’ny sehatra fijerena ny mahaolona eto Madagasikara sy nohon’ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara tamin’ny atrik’asa lehibe momba ny fitsoaha-ponenana sy ny tsy fizakana zom-pirenena, Tany Genève, ny desambra 2023 teo, dia tonga nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy an-dRamatoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry Ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana tao amin’ny biraony teny faravohitra Ramatoa isany : Monique Ekoko, solotenan’ny biraom-pirenena marolafy miadidy ny mpitso-ponenana eo anivon’ny Firenena Mikambana (UNHCR), atsy Afrika Atsimo, nombanan-dRamatoa Paulette Lydie Angèle Ngo Nkeng Lapee Mpanolotsaim-pifandraisana eo anivon’io birao io ihany.

⭕Nararaotin’izy ireo tamin’zany fotoana Izany ny niarahaba ny fitondram-panjakana malagasy tamin’ny fahatsapana andraikitra sy fanokafana ny birao
misahana ny mpitsoa-ponenana mba hahafahana mandray an-tanana ny olan’izy ireo, fa indrindra tamin’ny fametrahana ambany lalàna ny fitsipika mifehy ny mpitsoa-ponenana mba hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena.

⭕Naneho fisaorana an-dRamatoa minisitra noho izany ireto vahiny ireto tamin’ny fanohanany ny tolo-dalàna ho fanatsarana ny fehezan-dalàna malagasy momba ny zom-pirenena, sy ny fandraisany anjara tamin’ny dinik’asa momba ny fandaniana ny tolo-dalana laharana 001/2021/PL.

✅Nidera ny fandavantena sy fahaiza-mitarika nananan-dRamatoa Minisitra ihany koa izy, tamin’ny famolavolana ny tetik’asa ho fampihenana sy fanafoanana tanteraka ny fitsoaha-ponenana sy ny tsy fananana zom-pirenena, tamin’ny taona 2019.
Ankoatra izay Dia notsindrin’ireto solotenan’ny biraom-pirenena marolafy miadidy ny mpitsoa-ponenana eo anivon’ny Firenena mikambana ireto fa ilaina ny fanohanana avy amin-dRamatoa Minisitra ny amin’ny fandaniana eo anatrehan’ny governemanta, ny tolo-dalana laharana 001/2021/PL momba ny zom-pirenena Malagasy.
Farany Dia manantena hatrany ny fiaraha-mitantana ny atrik’asa momba ny famakiana io tolo-dalana io izy ireo ka hahazoana fankatoavana ny amin’ireo vokatry ny dinika mikasika ny fitsoaha-ponenana sy ny tsy fizakana zom-pirenena eto Madagasikara.