Fanamparihana lalàna sy fampianarana an’ireo Mpianatra momban’ny zava-mahadomelina.

📌Zoma 12 aprily 2024, Nampahafantarina ireo mpianatra ao amin’ny Lycée privé Catholique Immaculée Conception sy tao amin’ny Lycée pôle ao Morondava ny lalàna mikasika ny fifohana zava-mahadomelina. Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Landy Mbolatiana RANDRIAMANANTENASOA no nitarika izany niaraka tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

➡️Nanazava ny Tale miandraikitra ny Zon’olombelona sy ny Fifandraisana Iraisampirenena (DDHRI) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana, Belalahy Hanitriniaina fa hentitra ny fitsarana manoloana ny fandraisana zava-mahadomelina ary manimba ny hoavin’ny ankizy izany.

⭕ Andraikitry ny Minisitera ny mampahafantatra ny lalàna hoy ny Minisitry ny Fitsarana, fa tsy manasazy fotsiny ihany. Heloka eo anatrehan’ny tany sy ny firenena ny fandraisana zava-mahadomelina. Ny lalàna mifehy ny fidorohana zava-mahadomelina eto Madagasikara dia efa tamin’ny taona 1997. Voarara ao anatin’izany avokoa ny mifoka, ny mividy, ny mamboly, sy izay mikirakira izany. Sazy an-terovozona hatramin’ny 10 taona an-trano maizina no mihatra amin’ireo manao izany.

➡️Nentanina koa ireo mpianatra mba hampahafantatra ny lalàna mifehy ny mpikirakira zava-mahadomelina ho an’ny fiaraha-monina fa tsy ho azy ireo irery ihany.
Ny fandraisan’ny olona sokajiny rehetra zava-mahadomelina dia mikitika ny atidoha.Manimba ny vatana sy ny taova rehetra.Antony hahasahian’ireo mandray azy manao zavatra tsy ampiheverana ka tsapa fa mandray zava-mahadomelina avokoa ny ankamaroan’ireo mpanolana.

❌Rehefa miankin-doha tanteraka ny olona iray dia tsy maintsy mandalo fitsaboana fotoana lava any amin’ny toerana votokana amin’ny sarany lafo dia lafo. Tsy ahitana io toerana io anefa eto Morondava fa ny hopitaly voatokana no mitsabo izany.