Raharaham-pitsarana.

⚖️RAHARAHAM-PITSARANA : NOHAMAFISINA NY FAHAIZA-MANAO MIKASIKA NY RAHARAHA SIVILY SY ARA-BAROTRA HO AN’NY MPITSARA SY MPIRAKI-DRAHARAHA ETO ANTANANARIVO

📌Ny 6 ka hatramin’ny 9 febroary 2024, dia nisy fiofanana izay nokarakarain’ny Sekoly Nasionalin’ny Mpampiofana Mpitsara sy Mpirakidraharaha (ENMG) tao Tsaralalana. Natao ho an’ny Mpitsara sy Lehiben’ny mpiraki-draharaha ary ny mpiraki-draharaha ao amin’ny Fitsarana Ambony sy ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo ity fiofanana ity izay niompana tamin’ny raharaha sivily sy ara-barotra. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpandray anjara amin’ny fikirakirana sy ny fitantanana ny raharaha amin’ireo sehatra ireo. Anisan’ny lohahevitra nodinihina ihany koa ny ady tany sy ny varotra, ny lalàna momba ny ranomasina, ny andraikitry ny lehiben’ny rejisitra sy ny mpiraki-draharaha eo amin’ny fitsarana, ary ny kaonty rejisitra.

⭕Ny tanjona ankapobeny dia ny fanatsarana ny fikarakarana ny antontan-taratasy sy ny kalitaon’ny fanapahan-kevitra amin’ny raharaha sivily sy ara-barotra.
Ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD) ao anatin’ny fandaharan’asa “RINDRA” no nanoana izao fiofanana izao.