VOLAVOLAN-DALANA MIKASIKA NY FANOLANANA.

📌Alatsinainy faha 29 Janoary 2024, misokatra ny fivoriana tsy ara-potoana ho an’ny Antenimiram-pirenena sy ny Antenimiera-doholona. 12 andro no faharetany araka ny voafaritry ny Lalam-panorenana ary efa voafaritra ny lahadinika ka isan’ny handalo fandinihana sy fandaniana mandritra izany ny volavolan-dalana manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin’ ny fehezan-dalana famaizana mikasika ny olona manao fanolanana.

⭐Nanotrona ny lanonam-panokafana ny fivoriana, niaraka tamin’ny Mpikambana eo anivon’ny Governemanta notarihan’ny Praiminisitra NTSAY Christian hatrany ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.