Miroso ny fambolena ao amin’ny camp Pénal Antsalaka. Fahavitan-tena ara-tsakafo eny afonja no tanjona.

📌 Midadasika ny tany, eto amin’ny Camp Pénal Antsalaka Antsiranana. 50 ha no ezahana ho volena, ka tracteur telo no nampiasaina namadihana ny bainga, vokatry ny fiaraha- miasan’ ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny sehatra tsy miankina.

✅ Rehefa voaasa ny tany dia miroso ny fambolena, efa misy rahateo ny masomboly. Nijery ny fandroson’izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary nitondra fanarenana ara-tsaina ho an’ny Voafonja. Nambarany fa rehefa tapitra ny fotoana fanefan-tsazy, dia azo hatao asa fivelomana eny anivon’ny fiaraha-monina ny fampiharana ny fiofanana sy ny traikefa azo teto amin’ny « Camp Pénal ».

⭕ Fantatra fa afaka efabolana dia hisy sahady ny vokatra hiakatra. Ny fahavitan-tena ara-tsakafo eny anivon’ny fonja no tanjona amin’izao tetikasa izao.