Fotoam-pitsarana manetriketrika fanokafana ny taom-pitsarana 2023.
Notanterahana anio 07 Febroary 2023 teto amin’ny Fitsarana Ambony Fianarantsoa ny fotoam-pitsarana manetriketrika namaranana ny taom-pitsarana 2022 ary nanokafana ny taom-pitsarana 2023.
⭕Nandritra izany no nanambaran’ny Tonia Mpampanoa Ambony teo anivon’ny Fitsarana Ambony ny tatitra ho tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka ny asa vitan’ny Fitsarana rehetra ao amin’ny fiadidian’ny Fitsarana Ambony Fianarantsoa ny taona 2022.
⭕Nanohy izany ny avy eo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana (Tribunal Administratif) ary koa ny
Fitsarana misahana ny kaotim-pitanana ny volam-panjakana (Tribunal Financier).
Nivoitra tamin’izany fa misahana Fitsarana Ambaratonga Voalohany 8 ary Fonja 12 ity Fitsarana Ambony ity. Ka eo amin’ny fampandehanan-draharaha dia niezaka hatrany izy ireo mba hahazoana valiny nahafa-po, na dia teo aza ny tsy fahampiana ara-pitaovana, sy ara-bola ary indrindra ara-olona na Mpitsara na Mpirakidraharaha izany.
Vina nampetraky ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Ambony ny fanohizana ny ezaka amin’ny fanaovana ny asa ara-potoana, amin’ny famoahana ny didy, ary koa hiasa ara-drariny sy amin’ny hitsiny ary ny fahamarinana hatrany amin’ny fanarahana ny lalàna velona.
⭐Nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, R/toa RABY Savatsarah izay nisolo-tena ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana. Tao ihany koa ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony, A/toa RAKOTONAVALONA RANARY Robertson sy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony, A/toa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis ary ireo mpiara-dia aminy.
Nandritra ny tafa natao tamin’ny mpanao gazety dia nanome fanazavana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana.