Posted in Annonces et Informations

🔴 FILAZANA MAIKA

📌Noho ny lositra izay nitranga tao amin’ny fonjaben’Ambalatavoangy Toamasina androany 27 jolay 2022 izay nahalasa voafonja miisa 3 ka ny iray no efa tafaverina.
Araka izany dia iangaviana sy ilazàna isika rehetra izay manana vaovao na mahafantatra izay mety misy azy ireo mba hampilaza avy hatrany ny manampahefana na tompon’andraikitra ny filaminana akaiky azy.

✅Tazonina ho tsiambaratelo ny momba ireo izay milaza ny vaovao.
❌Hampafantarina fa raha mahafantatra vaovao momba izany ka tsy miteny na ihany koa manafina dia raisina ho mpiray tsikombakomba ary ho henjehin’ny lalàna ihany koa.
➡ Ireto ny mombamomba ireo voafonaja roa mbola karohina :
– RAFANOMEZANTSOA Rawilson Berthin dit Fano, écroué le 16.11.19 pour vol de numéraire et divers objets avec port d’arme.
– LEXANDRE écroué le 29.09.18 a maroantsetra pour vol avec port d’arme et association des malfaiteurs.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA :

📌 Hamaranantsika ireo tsara ho fantatra manodidina ny fangatahana fisaraham-panambadiana ary dia ho entina amintsika indray ny mikasika ny antontan-taratasy ilaina amin’izany sy ny mikasika ny porofo.

🔷 IREO ANTONTAN-TARATASY ILAINA AMIN’NY FANGATAHANA FISARAHAM-PANAMBADIANA :
👉 Fangatahana omban’antony,
👉 Kopian’ ny bokim-pianakaviana na sora-panambadiana,
👉 Sora-pahaterahan’ny zaza iombonana (acte de naissance),
👉 Taratasy manaporofo ny fahadisoan’iray amin’ny mpivady,
👉 Rosia manamarina ny nandoavana ny vola fanao an-tratra (provision) mitentina roan-jato sy valo arivo sy efatr’alina Ariary (48.200 Ar) tao amin’ny Lehiben’ny Mpirakidraharahan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany.

⭕ Marihina fa tsy voafetra ho ireo lisitra ireo ihany fa mety mbola misy taratasy hafa takian’ny Fitsarana.

🔷 FANAMARIHANA MIKASIKA NY POROFO ENTINA EO ANATREHAN’NY FITSARANA :
Maro taminareo mpanaraka ny pejy no nanontany mikasika izay mety ho porofo entina eo anatrehan’ny Fitsarana raha hangataka fisaraham-panambadiana.
⭕ Marihina aloha fa araka ny lalàna malagasy dia tsy azo ekena ny fisaraham-panambadiana raha tsy noho ny tsiny amam-pondron’ny iray na ireo mpivady (faute). Izany hoe raha fifanarahan’ny mpivady fotsiny ihany (consentement mutuel) no antony angatahany fisarahana fa efa tsy te hiara-monina intsony izy ireo dia tsy eken’ny lalàna malagasy izany hatreto.
⭕ Noho izany dia mila manaporofo ny fahadisoan’ny ankilany ny iray amin’ny mpivady izay mangataka fisaraham-panambadiana.
 Anisan’ny porofo azo entina ohatra raha toa ka noho ny fijangajangana ny antony angatahana ilay fisarahana ny taratasy fitànana an-tsoratra nataon’ny vadintany noho ny fijangajangan’iray amin’ireo mpivady (constat d’adultère), raha noho ny vono kosa ohatra dia ny taratasy fanamarinana avy any amin’ny mpitsabo (certificat médical), raha noho ny fanasaziana ny iray amin’ireo mpivady noho ny heloka bevava kosa indray dia ny didim-pitsarana milaza izany.
⭕ Ohatra ihany ireo tanisaina eo ambony ireo fa izay rehetra porofo anananao dia afaka entina eo anatrehan’ny fitsarana ka anjaran’ity farany no mijery izany.

🔷 REHEFA MIVOAKA NY DIDIM-PITSARANA :
⭕ Rehefa tonga raikitra ilay didim-pitsarana dia ho entina eny amin’ny Kaominina nanaovana ny fisoratam-panambadiana ilay didy raikitra na grosse mba hanaovana ny soratra an-tsisiny amin’ny sora-panambadian’izy ireo, aorian’izay dia atao ihany koa ny soratra an-tsisiny amin’ny sora-pahaterahan’izy ireo any amin’ny Kaominina nahaterahany avy.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA :

📌Maro taminareo mpanaraka ny pejy no nitaraina fa tena ela be vao vita ny raharaham-pitsarana mikasika ny fangatahana fisaraham-panambadiana.

🔴 Ny lalàna aloha voalohany indrindra dia mamaritra fa tsy maintsy antsoina hiatrika fitsarana ireo olona voakasika ka arahina avokoa ireo dingana fampiantsoana voalazan’ny lalàna amin’izany.
Amin’ny raharaha ady madio ihany koa dia ny fifanakalozana fehin-teny no mibahana. Ka tsy mijanona izany fifanakalozana izany raha tsy efa tsy te-hamaly intsony ny mpiady roa tonta.
Manaraka izany dia mikasika ny fisaraham-panambadiana manokana dia misy ny dingana roa voalazan’ny lalàna tsy maintsy tanterahin’ny mpitsara rehefa misy ny dossier momba izany tonga eo am-pelatanany. Vokatr’izay fisian’ny paik’ady manokana izay dia somary maharitra ihany koa ny raharaham-pitsarana.
Andeha ary hojerentsika izay tsara ho fantatra mahakasika ny dingana arahina amin’ny fangatahana fisaraham-panambadiana.

🔷PAIK’ADY ARAHINA :
👉Fangatahana alefa any amin’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany na manao fampiantsoana ny andaniny amin’ny alalan’ny vadin-tany hiseho fitsarana,

👉Aterina ao amin’ny Lehiben’ny Mpirakidraharahan’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany ireo antontan-taratasy rehetra ilaina amin’izany miaraka amin’ny vola fanao an-tratra na « provision ».
Dingana voalohany : Fampihavanana na « conciliation »

👉Fisehoana am-batana ny andaniny sy ny ankilany eo anatrehan’ny Fitsarana (tsy azo soloina tena).Ny mpivady irery ihany no manatrika izany fa tsy azon’ny olona rehetra atrehina.

👉Manao fampihavanana ny mpitsara ary mihaino ny roa tonta:
🔹 Raha toa ka mihavana ireo mpivady, dia mitsahatra avy hatrany ny paik’ady.
🔹 Afaka manome fe-potoana tsy mihoatra ny enim-bolana ho an’ireo mpivady koa ny mpitsara hieritreretan’izy ireo. Raha tapitra io fe-potoana io ka raha mbola te hanohy ny paik’ady ny mpangataka fisaraham-panambadiana dia mangataka fitohizan’ny paik’ady indray izy.
🔹 Raha toa ka tsy mihavana ireo mpivady, mamoaka didy mirakitra ny tsy fihavanana na « Ordonnance de non conciliation » ny mpitsara ary mitohy ny paik’ady momba ny fangatahana fisaraham-panambadiana.

➡ Dingana faharoa : Fanatrehana ny fotoam-pitsarana.

👉Mifanakalo fehin-teny ny andaniny sy ny ankilany mandrapaha afa-po azy ireo,
👉Tononina sy avoaka ampahibemaso ny didy momba ny fisaraham-panambadiana ary didiana ihany koa ny fizaram-pananana eo amin’ny mpiady roa tonta araka ny sata mifehy ny fananan’izy ireo.

Posted in Annonces et Informations

FANAPARIAHANA LALANA SY PAIK’ADY ARA-PITSARANA:

📌Taorian’ny fampahafantarana mikasika ny Fiahiana ny zaza na « Tutelle » dia indro lohahevitra vaovao indray no entina amintsika dia ireo tsara ho fantatra mikasika ny Fisaraham-panambadiana na « Divorce ».

➡ Ny lalàna mifehy izany dia ny Lalàna laharana faha 2007-022 tamin’ny 20 Aogositra 2007 mikasika ny fanambadiana sy ny fitondrana ny fananan’ny mpivady.

🔷INONA AVY ARY IREO ANTONY ANEKENA NY FISARAHAM-PANAMBADIANA ?
👉Tsy fahazakana intsony ny fiaraha-monin’ny mpivady;
👉Tsy fanatanterahan’iray amin’ireo mpivady ny andraikitra sy ny adidiny avy amin’ny fanambadiana (ny firaisa-monin’ny mpivady, ny fifanampiana, ny fifamonjena, ny fifampitokisana sy ny fifanajana) ;
👉Fijangajangana ;
👉Fanasaziana ny iray amin’ireo mpivady noho ny heloka bevava .
Ireo antony rehetra ireo dia tsy maintsy arahina porofo mazava.

🔷IZA NO FITSARANA MAHEFA RAHA HANGATAKA IZANY ?
Fitsarana mikasika ny ady madio :
👉misy ny toeram-ponenan’ireo mpivady
👉na misy ny toeram-ponenan’ny toriana na ny toerana nonenany farany.
🔴 Fanamarihana: Ho an’ny vehivavy misintaka, ny Fitsarana misy ny toerana honenany mandritra ny fisintahany no mahefa
⭕Ho hitantsika amin’ny heriny indray ny mahakasika ny paikady arahina amin’izany.

Posted in Annonces et Informations

Fisaonana.

🌑Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesan’ny Fianakaviam-ben’ny Fitsarana ny fodiamandrin’Andriamatoa RAFALY OMEGA IRAMANJAFINIMALO, Tale Jeneralin’ny Fandraharana ny Fonja (DGAP) nohon’ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy.
Ny fandaharam-potoana mahakasika ny razana dia mbola hampitaina manaraka eto ihany.

DGAP DGAP02