«

»

JUGEMENT N° 242-19-C

DOSSIER N° : 486/19 RC :538/19
NATURE DU JUGEMENT :REPUTE CONTRADICTOIRE
JUGEMENT N° :242-19-C DU 04/10/2019
PREMIER APPEL DE LA CAUSE : 20/06/2019
DELAI DE TRAITEMENT : __0 Année(s) 4 Mois 6 Jour(s)
————————————-
Le Tribunal de Commerce d’Antananarivo, à l’audience publique
ordinaire du vendredi quatre octobre deux mille dix-neuf , salle 7 (2),où siégeaient :
Madame/ Monsieur, RAKOTONIRINA Voahirana Patricia -PRESIDENT
En présence de : Mme/ Mr GASSARD Afick – ASSESSEUR
ANDRIAMIALISON Simon – ASSESSEUR
Assisté(e) de Me RANDRIAMAHERISOA Solomon – GREFFIER
Il a été rendu le Jugement suivant :
ENTRE :RANALASON Richard , ayant son siège à Andoharanofotsy
Requérant(e), comparant et concluant.
ET :
RANDRIANATOANDRO Joachim , ayant son siège à Lot IB 751Andoharanofotsy
Requis(e), non-comparant.
LE TRIBUNAL
Vu toutes les pièces du dossier :
Ouï la requérante en ses demandes, ses fins et conclusions ;
Nul pour la requise non-comparante
Et après en avoir délibéré conformément à la loi ;

Ny 28 mey 2019, RANALASON Richard dia nampiantso an-dRANDRIANATOANDRO Joachim teto anatrehan’ny Fitsarana mba hihaino mahakasika ny fitakiany ny « caution 1.600.000ariary » ;

Nambarany ho fanamafisany ny fangatahany fa io « caution » io dia nalohany mialohan’ny fanofany ny trano lot IB  750 Andoharanofotsy, tsy ao anaty hofantrano mihintsy io, fa nandoa 800 000 ariary isam-bolana izy rehefa nipetraka nanomboka ny volana aogositra 2017 ;

Nambarany fa io trano io dia nanaovany varotra « vente en ligne » : entana avy any ivelany ;

Nolazainy fa voalohany tsara daholo ny hofan-trano, raha nisy fahatarana kely ny novambra 2018 , gaga anefa izy fa ny volana janoary 2019 no nanomboka ny fandroahana ary  nilaza ny tompon-trano fa omeny avy hatrany ny « caution » ;

Ny 25 aprily 2019 anefa dia nambarany fa nampiditra olona mpanofa tao amin’ilay trano  ny toriana ka ny mpiasany no nahalalany izany ;

Rehefa tonga ny 02 mey 2019, haka ilay caution izy dia nilaza ny toriana  fa 200 000 ariary sisa izany satria ny volana aprily tsy nisy nanofa ny tranony, ary izy dia nangalan’ny « agence » 600 000ariary sy hanalana ilay 80 000ariary  jiro volana marsa 2019 ;

Nambarany fa nasain’ny toriana hanao sonia ampitaka taratasy izy, nampanantenaina fa homena ilay « caution », nefa tsy nisy akory izany, fa 120 000 ariary ihany no nomeny ;

Nolazainy fa vokatr’izany rehetra izany dia najanony ny asany, « ny boîte de connexion telma » izay handoavany 300 000 ariary isam-bolana dia tsy noesoriny ;

Nampiarahany tamin’ny fangatahany : « contrat de bail », « reçu paiement », taratasy fampitondrana teny miaraka amin’ny fitakiana ;

Ny toriana kosa, na dia nahazo fiantsoana ara-dalàna aza dia tsy nipoitra ;

ANTON’NY DIDY

NY AMIN’NY FOMBAFOMBAN’ADY

Ny fangatahana dia nanaraka ireo fepetra takian’ny lalàna, noho izany dia azo raisina ;

NY AMIN’NY VOTOATIN’ADY

Nangataka ny hamerenana ny vola nataony antoka  ( caution) mahakasika ny fanofana trano izay nataony ny mpangataka ;

Hita fa nisy tokoa ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta mpiady mahakasika ny fampanofana trano araka ny taratasy « contrat de bail du 17 août 2017 », voarotsaka ato amin’ny antonta taratasin’ady ;

Ary araka ny andininy faha 123 ny lalàna faha-66-003 tamin’ny 02 jolay 1966 dia : « Ny fifanarahana natao ara-dalàna dia mihatra ohatrin’ny lalàna eo amin’ireo nanao izany » ;

Noho izany dia io fifanarahana natao voalaza etsy ambony io no ampiharina amin’ny fampanofana trano nifanaovan’ny roa tonta ;

Voalaza amin’izany ao amin’ny andininy faha-3 n’io fifanarahana io fa tsy miverina ny antoka raha manapaka ny fifanarahana mialohan’ny fotoana nifanarahana ny  mpanofa, ary voalaza ao amin’ny andininy faha-5 fa roa taona no faharetan’izany manomboka ny 01 oktobra 2017 ary havaozina isan-taona ;

Tsy iadin-kevitra noho izany fa tapaka mialohan’ny fotoana nifanarahana ny fampanofana nisy teo amin’ireo mpiady satria nanambara ny mpangataka fa noroahin’ny mpampanofa ka ny 30 marsa no fotoana nomeny ialana ;

Raha nanao fitakiana famerenana ny antoka anefa ny mpangataka ny 22 may 2019, dia nilaza ny toriana fa tsy hamerina ny antoka nohon’ny tsy fanatanterahan’ny mpanofa ny fifanarahana ;

Samy manana ny fanambarany noho izany ny roa tonta ;

Araka ny andininy faha-9 ny fehezan-dalàna momba ny paik’ady madio anefa dia anjaran’ny mpiady tsirairay no manaporofo araka ny lalàna ny zavatra ambarany ho fahombiazan’ny fangatahany ;

Tsy nitondra porofo mahakasika izany fandroahana izany anefa ny mpangataka fa nionona fotsiny tamin’ny fanambarana, ny toriana anefa dia tsy nilaza ihany koa ny fisian’izany ;

Koa mba ho fampiharana ny andinin-dalàna voalaza etsy ambony, dia lavina ny fangatahana noho ny tsy fisian’ny porofo mahakasika ny fandroahana izay voalazan’ny mpangataka fa nahatonga azy niala tao amin’ilay trano nofainy ;

NOHO IREO ANTONY IREO

Mitsara ampahibemaso, nifanatrehana tamin’ny mpangataka, heverina ho toy ny nifanatrehana tamin’ny toriana, momba ny raharaha ara-barotra, azo hanaovana fampakarana ;

  • Ambara fa azo raisina amin’ny fombafombany ny fangatahana ;
  • Lavina kosa izany noho ny tsy fahampian’ny porofo ;
  • Ny mpangataka no mandoa ny lany amin’ny Fitsarana.

Toy izany no nitsarana sy namoahana ity didim-pitsarana ity tamin’ireo andro sy volana ary taona voalaza etsy ambony ary ny matoan’ity didy ity, rehefa avy novakiana, dia nosoniavin’ny Filoha sy ny mpiraki-draharaha./.